Piment Café – Mahery sy Nanie. Haverina anio alina indray ilay fiarahana an-tsehatr’ireto mpanakanto ireto, etsy amin’ny Piment Café Behoririka. Fampiaraham-peo maromaro no nalahatr’izy ireo, volana vitsivitsy lasa izay. Maro mpankafy izany ka betsaka ireo nangataka famerenana. Hanao ny hirany manokana ihany koa izy mianadahy ireto. M’Lam – Ho an’i […]
Tselatra
VAOVAO TAMBATRA
Loharanon-karena mifototra amin’ny olona, fampiroboroboana ny indostria sy ny fanodinana ara-toekarena ary ny fahaiza-mitantana. Ireo no andry telon’ny politika ankapoben’ny fanjakana (PGE). Tanjona napetraka ao amin’ny tetibolam-panjakana 2024 ny fampiakarana ny harinkarena faobe ho 4,5%. Hotohizana daholo ny tetikasa toy ny fanamboarana ny “autoroute”, ny “Flyover”, ny teleferika, ny Tana-masoandro, […]
FANTINA sy FINTINA
Voatendry ho tale kabinetran’ny fiadidiana ny Repoblika, Rakotonirina Elysa. Tale misahana ny raharaha iraisam-pirenena sy mpitondra tenin’ny filohan’ny Repoblika, Ranoromaro Lova. Talen’ny fifandraisana amin’ny vondrom-bahoaka, Rajaonah Mirana ary tale misahana ny hetsika kosa, Ravelonjato Eliah. Nanolotra ny sori-dalana hitantanany ny minisitera sahaniny avy teo amin’ny filankevitry ny minisitra ireo minisitra […]
TSELATRA
Tovolahy 16 taona voasambotry ny polisin’ny SAG teny Anosibe, omaly. Mpanendaka ireo mpandeha an-tongotra sy mpandeha taxi-be eny amin’ny manodidina ity tratra ity. Niezaka nandositra izy saingy tsy lasa alavitra. Zaza amam-bolana maty voalaza ho lanin’ny voalavo tao Sampanan’Andranovisy, Antsirabe, afakomaly alina. Nisy fifamaliana teo amin’ny ray aman-dreniny, araka ny […]
SOMBIM-BAOVAO
Hatao ny sabotsy 3 febroary izao avokoa ny fifaninanana ho an’ny faritra faha-6, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’Analamanga, taranja Volley-ball. Tsy hisy lalao ny alahady 4 febroary, araka ny fangatahan’ireo mpitsara lalao, raha ny fanazavana hatrany. Miditra an-tsehatra any an-tsekoly ny taranja Echecs. Misy ny tetikasan’ny federasiona malagasy, hampianatra ity […]