Anjaran’ny distrikan’i Manja, kaominina Andranopasy, ny nisitraka fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana. Anisan’ny lasibatra nandritra ny fandalovan’ny rivodoza Alvaro ny mponina tao. Niisa 1 156 ireo olona nisitraka izany, tao amin’ny fokontany 7. Vary milanja 14 450kg no nozaraina. Nisy ny fampiofanana ireo olona amin’ny fanamboarana rarivato “pavé” hanaovan-dalana teny Ambohidratrimo, […]
Tselatra
TARATRY ny KANTO
Mila tolo-tanana koa i Lalie. Marary ka nampidirina ao amin’ny hopitaly Befelatanana i Lalie. Nanao antso hanampiana azy izy. Tazana amin’ny horonantsary nataony fa mibontsina ny kibony, ka mila fizahana isan-karazany vao afaka miroso amin’ny fandidiana. Tsy niandry ela fa avy dia nanao ny fanentanana ireo mpanakanto namany. « Moramora […]
VAOVAO TAMBATRA
Nodorana avokoa ireo katsaka simba milanja 23 400 taonina ao amin’ny distrikan’i Tsihombe. Nanao fangatahana ny handorana ireto vokatra ireto teny anivon’ny fitantanam-paritra (DRIC) Androy, ny Catholique relief service, (CRS), tompon’ireo entana. Voamarina ihany koa fa tsy azo hohanina intsony ny vokatra. Misokatra ny antso ho an’ny tetikasa ho an’ ireo […]
TSELATRA
Naiditra am-ponja eny Tsiafahy, omaly, ilay lehilahy nanolana ankizivavy 14 taona, teny Sabotsy Namehana. Mpifanerasera akaiky tamin’io lehilahy io ilay lasibatra. Nitoriany fitiavana io ankizivavy io saingy nanda hatrany ka nanamparany ny filan-dratsiny. Renim-pianakaviana iray hita faty tao anaty kirihitra, tao Fandrava, fokontany Mananjary, kaominin’Ibity, distrikan’Antsirabe II, ny alin’ny sabotsy teo. […]
INDRAY MIJERY
Natao ny alatsinainy teo ny famindram-pitantanana teo amin’ny talen’ny fampianarana ambony mpisolo toerana, Pr Rakotozafy Rivo, sy ny tale vaovao, Dr Ramahazosoa Irrish Parker. Fanambin’ny tale vaovao ny hiantoka ny filaminan’ny fanadinana bakalorea, ny fandaminana ny fisoratana anarana. Manome toky ny mpianatra sy ireo ray aman-dreny ny tenany. Nitsidika ny […]