Tselatra

VAOVAO TAMBATRA

 Handray anjara amin’ny hetsika « Borsa Internazionale del Turismo (BIT) Milano 2024 » ny 4-6 febroary, ao Italie, ny  delegasiona avy amin’ny Ofisim-paritry ny fizahantany Nosy Be (ORTNB). Fotoana hampahafantarana ny zavaboahary sy ny hakanton’ny Nosy, indrindra ny fampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany.  Hamokatra zana-trondro manodidina ny 5 tapitrisa isan-taona […]

INDRAY MIJERY

Miangavy ny fanjakana hampiditra ny fahaiza-miaina, ny fanajana ny soatoavina, ny tantaran’i Madagasikara amin’ny taranja any an-dakilasy ny tomponandraikitry ny fikambanana Tily sy Mpanazava eto Madagasikara. Ilaina amin’ny fanabeazana izany. Nandritra ny fisantarana ny fanamarihana ny faha-100 taonan’ny Tily no nanambarany izany ny sabotsy lasa teo, teny Mahamasina. Tombanana hiakatra […]

SOMBIM-BAOVAO

Hotontosaina any Antsirabe, ny 3 febroary ho avy izao, ny lalao fifanintsanana basikety ho an’ ny ligim-paritra Sava, taranja basikety 3×3, sokajy vehivavy U23. Tsia­hivina fa izay tompondaka amin’ity fifaninanana ity no solonte­nan’io faritra io amin’ny fifaninanan “De la Rue vers l’Or”, hatao eto Antananarivo, ny 16-18 febroary ho avy […]

TARATRY ny KANTO

Ho fanampiana ny olona voan’ny homamiadana. Tontosa omaly ny fampisehoana nataon’ny mpanakanto maro tetsy amin’ny Ekar Antanimena, ny sabotsy teo. Nahitana an’i José sy Fiderana (Tarika Hasina), Vetsonkira, Malala (Tarika ‘Zay) ary Tanora feon’ny fiderana Nanganehana. Nindramina tamin’izany ny fihirana ny hiran’ny tarika “Les Surfs”. Nahatanteraka ny fifampiarahabana tratry ny […]

FANTINA sy FINTINA

Hamoaka ny tatitry ny vokatry ny ady amin’ny kolikoly, taona 2023, ny eo anivon’ny “Transparency International Initiative Madagascar”, rahampitso. Eo amin’ny laharana faha-147 amin’ireo firenena 180 i Madagasikara ary nahazo naoty 26/100. Nanentana ny fandraisana andraikitra sy ny firaisankinan’ny mpikambana ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc, ny herinandro teo, teny […]