Tselatra

TSELATRA

Voasambotry ny mpitandro filaminana ilay jiolahy tomponantoka tamin’ny fanafihana mitam-piadiana sy fakana an-keriny tao Maintirano, afakomaly. Nanao ny fanarahan-dia taorian’ny fanafihana nataon’ireo olon-dratsy tao Ampasimandroro, ny 9 avrily teo, ny polisy. Avotra ireo mpianaka nalain’ny jiolahy an-keriny saingy naolan’ireo tsy mataho-tody ny iray. Atolotra ny fampanoavana io jiolahy iray tratra […]

TSELATRA

Naiditra am-ponja ny lehilahy iray malaza ratsy amin’ny halatra omby ao Antsohihy, ny talata 9 avrily teo. Nahatrarana omby mitotaly 116 tsy nisy taratasy tao amin’ny valan’io lehilahy io ka nosamborin’ny mpitandro filaminana izy. Nogiazana am-balam-pamonjana avokoa ireo omby ireo. Zaza fito taona maty tsy tra-drano voadonan’ny fiara mpitatitra tao […]

TSELATRA

Naratra nendahin’ny jiolahy ny mpivady nanao fanatanjahantena vao maraina teny By-Pass, omaly vao maraina. Mody nanao fanatanjahantena ihany koa ireo jiolahy roa nanaraka azy mivady avy ao aoriana. Naratra teo amin’ny lohany samy voadaroka izy mivady. Lasan’ireo mpanafika ny finday teny amin’izy ireo. Lasan’ny jiolahy ny volan’ny renim-pianakaviana iray saika […]

INDRAY MIJERY

Hikorontana hatrany ny toetry ny andro any an-dranomasina manomboka eo Toliara hatrany Farafangana, vokatry ny alondrano avy any Atsimo. Hahery ny ranomasina ary mety hahatratra 3.5m ny haavon’ny onja, anio. Nahazo fampitandremana, noho izany, ny eo anelanelan’i Toliara sy Farafangana. Entanina ny rehetra mba hanaraka ny toromarika omen’ny manam-pahefana isan-tokony. […]

TSELATRA

Enin-dahy nahatrarana taratasy hosoka famarotana moto nosamborin’ny zandary teny Ambo­himan­gakely, afakomaly. Mpanao taxi-moto iray lasibatry ny halatra tao Ambatomaro, ny 4 aogositra 2023. Nambanan’ny olon-dratsy sabatra izy ka tsy afa-nanda. Nampandre ny zandary izy. Olona roa naratra, lasan’ny jiolahy ny vola 1 ta­pi­­trisa Ar tao Fiantsonana, kaominina Imerintsiatosika, afakomaly. Vatan-dehilahy […]