Naiditra am-ponja vonjimaika ilay jiolahy tratran’ny polisy teny Ambohitrarahaba. Malaza ratsy amin’ny fanendahana miharo vonoan’olona amin’iny faritra Avaradrano iny ity jiolahy ity ka nahatonga ny polisy nanao hetsika mba hahafahana misambotra azy. Lehilahy iray handeha hody no nifanehatra taminy. Renim-pianakaviana iray nendahin’ny mpanera amin’ireny taxi-be ireny, teny Anosibe, omaly. Mody […]
Tselatra
INDRAY MIJERY
Miisa 27 ireo Cisco nampiofanana ireo mpampiofana mahakasika ny «pratique de cours de remédiation». Tanjona ny hanatsarana ny taham-pisondrotana kilasy eny amin’ny sekolim-panjakana ambaratonga fototra sy ho fampirisihana ary fampandraisana andraikitra amin’ireo ambaratongam-pitantanana eny amin’ny sekoly. Nisy ny hetsika fandidiana hernie maimaimpoana notanterahin’ny CHU HJRA, ny herinandro teo. 16 ireo […]
Sombim-baovao
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Toamasina, ny fifaninanana “Tama Beach Volley”. Norombahin’ny ekipan’Analamanga ny amboara teo amin’ny sokajy Seniors. Ekipan’Atsinanana kosa no nandrombaka teo amin’ny sokajy U20, lehilahy. Niatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja Echecs olon-tokana, ny faran’ny herinandro teo, any Ghana, Rakotomaharo Fy sy Aina Tsinjoviniavo. […]
TARATRY ny KANTO
Nitohy tany Analanjirofo ny fampiofanana ireo mpisehatra ao anatin’ny zavakanto. Tafiditra anatin’ilay tetikasa “Prom’Art”, izay novolavolain’ny fitaleavana misahana ny zavakanto sy ny fanapariahana ny kanto eo anivon’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera, izy ity. Mpisehatra 40 no nahatozo ny fiofanana ka afaka miatrika ny tsenan’ny zavakanto, isaky ny sokajy misy […]
FANTINA sy FINTINA
Anisan’ny mampihisatra ny fanenjehana mpitantana ambony eto amin’ny firenena ny olana ara-pitsarana sy ara-politika, araka ny nambaran’ny filohan’ny SMM, Andriantsihorisoa Mbintanarivo. Miantso ireo mpitsara namany koa izy mba hihaino ny feon’ny fieritreretany avy. “Misy antony ao matoa ny olona miteny hoe misy kajikajy politika ny fampitomboana ny isan’ny depiote hofidina”, […]




