Renim-pianakavina iray manana fahasembanana no maty an-drano teny amoron-dranomasina, tany Mahajanga, omaly. Nisaika teo amin’ny Bord de la mer akaikin’ny Chambre de commerce izy. Olona nilomano teny amin’ny manodidina no nahita azy ka nampiakatra ny razana. Efa nalefa eny amin’ny tranom-paty an’ny hopitaly Androva ny razana. Nahitam-bokatra ny hetsika manokana […]
Tselatra
TSELATRA
Lehilahy telo voasambotry ny polisim-pirenena avy ao amin’ny Compagnie urbaine d’intervention (CUI) sy ny UIR Tsaralalàna, tao anatin’ny roa andro. Tratra noho ny fihazonana sy fidorohana zava-mahadomelina tetsy Anosibe sy Anosizato Atsinanana izy ireo. Nandritra ny fisafoana sy fisavana amin’ny alina ataon’ny mpitandro filaminana no nahatrarana azy ireo. Nentina eny […]
TSELATRA
Trano 50 tafo no narodan’ny andian-dehilahy maro tetsy Anosibe Andrefana, omaly tamin’ny 6 ora maraina. Navoakan’izy ireo avokoa ny entana rehetra tao an-trano. Tsy nisy ny fifampiresahana teo amin’ny mponina mialoha ny fandrodanana ny trano. Afakomaly hariva tamin’ny 7 ora hariva no naharay taratasy fampahafantarana ny fialana amin’ny tranony ireo […]
TSELATRA
Lehilahy iray 26 taona hita faty teny amin’ny tetezan’Imamba, Sabotsy Namehana, omaly tamin’ny 6 ora maraina. Tonga nijery ny zava-misy ny avy amin’ny mpitandro filaminana. Nitsilany ny fahitana ny razana, nahitana ratra ny lohaliny. Heverina ho maty noho ny fisotroan-taoka diso tafahoatra izy nitarika tsy fahatsiarovan-tena izy io, raha ny […]
TSELATRA
Nidoboka eny amin’ny fonjan’Antanimora, afakomaly, ilay jiolahy raindahiny, iray tamin’ireo namono ilay mpanakalo vola tetsy Analakely, ny volana janoary 2025 lasa teo. Voasambotry ny polisin’ny BC Anosy teny Andohanarofotsy izy, ny 10 mey 2025 rehefa niafina nandritra ny fotoana ela. Nahitana basy Makarov calibre 9 mm, misy bala 10 sy […]