Roa lahy mpividy solika halatra voasambotry ny polisy teny Tanjombato, afakomaly. Saron’ny polisy ny lehilahy iray nitondra zerikanina mavo. Voamarina fa halatra ny solika izay avy nalaina tamin’ny fiarabe iray teny amin’ny faritra Forello. Mpianaka may vokatry ny haintrano tao Ambalakazaha, kaominina Masoarivo, distrikan’Antsalova, Faritra Melaky, omaly. Ravan’ny afo ny […]
Tselatra
TSELATRA
Telo vavy, 17, 16 ary 12 taona, nanavaon’ny fianakaviany filazana fikarohana hitan’ny polisim-pirenena, afakomaly. Nihazo ny tranon’ny namany izy ireo fa tsy nody, araka ny fanadihadiana nataon’ny polisy. Renim-pianakaviana tsy nahatsiaro tena tampoka tetsy 67 Ha, omaly. Anisan’ny mpandeha tao anaty taxi-be mampitohy an’Ambohitrimanjaka sy Antananarivo izy. Nentin’ny mpitandro filaminana […]
TSELATRA
Tafatsoaka ny jiolahy nikasa hanao fanafihana tao amin’ny tokantrano iray teny Ambohijanaka, ny 17 aogositra lasa teo. Notapahin’ireo olon-dratsy ny vy fiarovana tamin’ny tamboho, saingy tsikaritry ny tompon-trano izany. Nampandre ny mpitandro filaminana ireto farany ka nandositra ny mpandroba. Olona roa namoy ny ainy nandritra ny lozam-piarakodia teny amin’ny RN2, […]
TSELATRA
Mpangalatra ireny kojakoja anaty fiara ireny voasambotry ny polisy teny Ilanivato, ny sabotsy 15 aogositra teo. Nenjehin’ny polisy izy ka nahatrarana auto radio teny aminy. Notanana am-ponja ny lehilahy nangalatra basy ka nikasa hamarotra izany tao Belo sur Tsiribihina, ny zoma 14 aogositra teo. Tsy nisy taratasy sady nokasainy hamidy […]
TSELATRA
Lahiantitra 73 taona naiditra am-ponja rehefa nanolan-jaza tsy ampy taona tao Mangarivotra Tsiroanomandidy, ny zoma 14 aogositra teo. Olona maro efa lasibatr’io lehilahy io, araka ny fanazavan’ny mpitandro filaminana. Lavon’ny balan’ny polisy ny dahalo iray tao Andohaogny, kaominina Nandihizana, ny farany herinandro teo. Enin-dahy nangalatra omby ka natao fanarahan-dia. Nandositra […]




