Tselatra

FANTINA sy FINTINA

Betsaka ny tsy fanarahan-dalàna nataon’ny mpitandro filaminana, araka ny nambaran’ny Von­dron’ny kandidà, ny sabotsy teo, taorian’ny hetsika nataon’izy ireo. “Nanenjika olona hatrany an’elankela-trano. Helohinay ny fampiasan-kery tamin’ny vahoaka”, hoy izy ireo. Efa nanolotra mpisolovava ireo voasambotry ny zandary ireo kandidà. Mijoro ny vovonan’ny FFKM sy ny filohan’ny Antenimiera, Razanamahasoa Christine, […]

TSELATRA

Mpitondra bisikileta iray maty tsy tra-drano voadonan’ny fiara tsy mataho-dalana teny Androndrakely, boriborintany faharoa, afakomaly. Nandeha mafy ilay fiara. Tsy voafehin’ny mpamily tampoka ny familiana ka nifatratra tamin’ilay mpitondra bisikileta teo alohany. Votsotra teny am-pelatanan’ny dahalo ny omby 20 tao tao Andriamavo, fokontany Ambalavelona, kaominina ambanivohitra Bekobay, distrikan’ i Mahajanga […]

SOMBIM-BAOVAO

Handray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, izay hotanterahina any Egypte, ny volana desambra ho avy izao, ny ekipam-pirenena ma­lagasy, Ankoay, taranja basikety 3×3. Ity fifaninanana ity, natao hiadina ny tapakila hiatrehana ny lalao Olympika “JO 2024 – Paris”. Efa nanomboka omaly, tany Nosy Be ny fivoriambe ara –potoana […]

VAOVAO TAMBATRA

Nahazo fanamboarana “glace alimentaire” i Maevatanana, tamin’ny alalan’ny taninketsa indostrialy. Afaka mamokatra gilasy 10 isa isan’ora ny milina ka milanja 12 kg ny bara gilasy iray. Hisitraka tombontsoa amin’izany ireo mpanjono sy mpikirakira hazandrano ary ny mpivarotra entana mila tehirizina anaty vata fampangatsiahana. Hisy ny paikady hiatrehana ny tsy fanjarian-tsakafo […]

TARATRY ny KANTO

Tsy raikitra ny “Top Gasy”. Fampisehoana goavana nokasaina hotontosaina anio, ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina izy ity. Noho ny toe-draharaham-pirenena no voalazan’ny mpikarakara fa nanafoanana izany. Tombanana kosa ho nanampy trotraka ny tsy fahafahan’ireo mpanakanto, izay manao fampielezan-kevitra ny ankamaroany. Saika ireo mpanakanto malaza amin’izao fotoana mantsy no nalahatry ny […]