Vita omaly, ny fanamboarana ny fantson-drano lehibe eny Mandroseza. Miverina amin’ny laoniny tsikelikely, araka izany, ny famatsian-drano any amin’ireo toerana nisian’ny fahatapahana. Mampahatsiahy ny Jirama fa misy fiovany ny lokon’ny rano aorian’ny fahatapahana toy izao, ka tokony halefa elaela ny paompin-drano aloha. Nohamafisina ny fiaraha-miasan’ny Sampandraharahan’ny ladoany eny amin’ny seranan’Ivato […]
Tselatra
INDRAY MIJERY
Nanaovan’ny Filoham-pirenena tsindrim-peo ny mahakasika ny fanatsarana ny fotodrafitrasa ianaran’ny zaza malagasy. Hitohy, araka izany, ny fananganana ireo fotodrafitrasa mendrika sy manara-penitra manerana ny Nosy, satria manan-jo hianatra amin’ny sekoly moderina sy ampy fitaovana ny mpianatra. Irosoana maika ny fanitarana ny haratonaina ara-tsosialy amin’ireo tokantrano tena sahirana, hoy hatrany ny […]
Sombim-baovao
Hikarakara fifaninanana Futsal etsy amin’ny Gymnase Couvert Mahamasina, ny Madagascar Futsal Association (FMA). Hotontosaina manomboka ny 24 febroary ary hifarana ny 17 marsa ho avy izao izany, araka ny filazan’ny mpikarakara. Marihina fa ekipa 20 no hifanintsana amin’ny sokajy lehilahy raha toa ka 12 ny an’ny vehivavy. Hotanterahina eto Antananarivo, […]
TARATRY ny KANTO
Natao veloma farany tetsy amin’ny Ekar Mb Terezy etsy Isotry, ny sabotsy teo, Rafalison Joachim, mpanao hiragasy ao amin’ny tarika Ramilison Fenoarivo. Nandritra izany no nanomezana azy ny mariboninahi-pirenena «Chevalier de l’ordre national», tamin’ny alalan’ny minisitry ny Serasera. Naterina teny amin’ny fasan-drazany eny Mandrosoa Antongona izy, taorian’izay. Nivoaka ny sabotsy […]
FANTINA sy FINTINA
Sady nekena no navoaka tamin’ny filankevitry ny governemanta, notanterahina ny sabotsy lasa teo, ny firafitry ny minisitera folo nanolotra ny azy. Anisan’izany ny famaritana misimisy kokoa ny andraikitra sy iraka ankinina amin’ilay minisitra delege misahana manokana ny zandarimariam-pirenena. Anatin’ny fametrahana ny rafitra isan’ambaratongany ny fitondrana tarihin’ny filohan’ny Repoblika. Andrasana ny […]




