Tselatra

VAOVAO TAMBATRA

Hiaraka hanala ny fako eto an-drenivohitra ny minisiteran’ny Rano sy ny CUA. Hampiasaina amin’izany ireo kamiao avy amin’ny firenena japonais, raha vao tafapetraka ny filohan’ny delegasiona manokana (PDS), hitantana ny kaominina CUA. Hatomboka haingana koa ny famahana ny olan’ny rano ao anatin’ny tetikasa “Tana Water III”. Mitentina hatrany amin’ny 1,1 […]

FANTINA sy FINTINA

Anisan’ny didim-panjakana noraisina nandritra ny filan-kevitry ny minisitra, ny Alarobia teo, ny didim-panjakana manafoana ny fanendrena ny governoran’ny faritra Analanjirofo, ny Dr Randriamanantena Marcelin, sy ny an’ny faritra Melaky, Ratsitohara Patrick, ary ny an’ny faritra Atsimo Atsinanana, ny Dr Mahafaky Justin. Noraisin’ny filohan’ny Antenimierampirene­na, Razanamahasoa Christine, teny amin’ny Lapan’ny Antenimierampirenena […]

TSELATRA

Nampanantsoin’ny fitsarana ao Fianarantsoa ireo mpitsabo roa namoaka valim-pitiliana samy hafa tamin’ny raharaha fanolanan-jaza niteraka resabe, afakomaly. Nanambara ny mpitsabo iray fa tsy niharan’ny fanolanana ilay zazavavy folo taona nipetraka tao amin’ny mpampianany. Tetsy ankilany, nanamafy ilay mpitsabo iray fa simba tanteraka ny taovam-pananahan’ilay zaza. Zazamenavava narian-dreniny tao anaty lava-piringa […]

TARATRY ny KANTO

“RDJ Mozika 2023”. Nivoaka omaly ny lisitry ny sokajy hisafidianan’ny mpankafy amin’ity. 20 aloha hatreto ny sokajy nofantenan’ny komity mpanomana. Misy ireo efa tao hatramin’izay, fa ny ankamaroany kosa nanaraka ny fitsoky ny rivotry ny mozika tamin’iny taona nivalona iny. Hanampy ireo ny “artiste de l’année” sy ireo mety sokajy […]

SOMBIM-BAOVAO

Hiditra amin’ny dingana famaranana, anio, ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, Zone 4.4, taranja Lalao Echecs, tontosaina eny amin’ny Hôtel Destiny Ambohimangakely. Ny maraina no hanaovana ny famaranana ary ny hariva kosa fizarana mari-pankasitrahana. Mandalo eto an-tanindrazana amin’izao fotoana izao, Randresiarivony Anjaratiana, mpiangaly Jiu-Jitsu, tepana mainty. Hisy ny fizarana traikefa sy […]