Tselatra

TSELATRA

Zaza roa namoy ny ainy ary olona 30 manaraka fitsaboana noho ny fihinanana soka-drano tao amina fokontany iray anatin’ny kaominina Andra­novondronina, disitrikan’i Antsiranana II, afakomaly. Nitaraina narary an-doha sy kibo avokoa ireo rehetra nihinana io karazan-tsokatra “Fano” io. Nentina nihazo ny toeram-pitsaboana avokoa ireo marary. Takalonaina iray avotry ny polisim-pirenena […]

SOMBIM-BAOVAO

« Judo-Tompondaka maneran-tany Vétéran ». Nandrombaka ny medaly alimo i Heriniaina Vestalys, teo amin’ny sokajy M6, latsaky ny 60 kg, nandritra ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, taranja Judo, sokajy Vétéran, natao tany Abu Dhabi. Laharana fahadimy kosa no nisy an’i Mamy Dongoza. “Ballon d’Or 2023”. Norombahan’ilay Arzanti­nina mpilalao baolina kitra, […]

INDRAY MIJERY

Nampiofanina mahakasika ny tetikasa an-tsekoly « Mavitrika mianatra » ireo talen-tsekoly sy ireo lehiben’ny ZAP ary ireo mpikambana ao amin’ny FEFFI ao amin’ny Cisco Toliara II, Dren Atsimo Andrefana, hanatsarana ny fitantanana ny Vondron’olona ifotony ho fampandrosoana ny sekoly sy ho fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana. Nosoniavina ny fiaraha-miasa eo amin’ny […]

TARATRY ny KANTO

Boky ho an’ny ankizy. Hivoaka amin’ity volana novambra ity ilay boky « Amboarana angano/Recueil de contes », 92 pejy. Boky mirakitra angano miisa 5 voasoratra amin’ny fiteny malagasy sy fiteny frantsay. Asa soratr’i Arikaomisa Randria, ravahin’i Max Razafindrainibe amina sary nataon-tanana. Manampy indrindra amin’ny fampiainana ny angano ireo sary ireo. « ADMC- CRAAM […]

VAOVAO TAMBATRA

Handray anjara amin’ny “Cop 28”, ny 30 novambra ka hatramin’ny 12 desambra, atao any Dubai, Emirats Arabes Unis, i Madagasikara. Hampia­vaka ity andiany ity ny fitokanana sy fanokafana ny toerana voatokana “pavillon de Madagascar” izay se­hatra hampisongadinana ny Nosy sy hampiroboroboana ny fiombonan’antoka mahakasika ny “crédits carbones”. Maherin’ny 20 000Ar […]