Tselatra

INDRAY MIJERY

Mikatona avokoa ny fiangonana FJKM rehetra amin’ny alahady izao. Mifamotoana eny amin’ny Toeram-piofanana ho mpitandrina (TPM), Ivato, ny mpino kristianina rehetra amin’ireo synodam-paritany, hitondra am-bavaka ny taom-piasana 2024. Hitondra am-bavaka ny filohan’ny FJKM sy ny ankohonany koa, mandritra izany. An-tapitrisa ireo mpino kristianina FJKM heverina ho avy eny an-toerana. Natao […]

VAOVAO TAMBATRA

Nilaza ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, ny alatsinainy 15 janoary teo, fa mikatsaka vokatra hita maso ny tenany… Te hanatona akaiky kokoa hijery ny olana sy hikaroka vahaolana eny an-kianja. Nandritra ny fiarahabana azy tafaverina hitazona ity minisitera ity indray no nilazany an’ireo. Nankatoavina, omaly, […]

TARATRY ny KANTO

Anisan’ny hanamarika ny eny amin’ny IFM Analakely, anio, ny fampahafantarana ny kilalao « Tsimok’Arret ». Kilalao noforonina Malagasy zato isan-jato izy ity. Ankoatra ny maha kilalao azy, mampahafantatra zavatra maro ihany koa izy io. Anisan’izany ny fahadiovana sy ny fikajiana ny fahasalamana. Hisy ny valandresaka iarahana amin-dRajaonarivelo Raymond, izay anisan’ny mpamakilain’ny sinema […]

FANTINA sy FINTINA

“Sarotra ny mieritreritra fa mbola tafaverina amin’ny toerany ny ankamaroan’ireo minisitra”, hoy ny filoha nasionalin’ny Otrikafo, Rabevahiny Elia. Misy amin’ireo minisitra vaovao no manana antontan-taratasy hafahafa. Misy amin’ireo kandidà ho filohan’ny Repoblika teo no fantatra fa nandefa antontan-taratasy momba azy mba ho minisitra, nefa tsy nisy voaray na iray aza. […]

TSELATRA

Vehivavy iray naratra latsaka tao anaty lavaka teny Andrefan’Ambohijanahary, afakomaly hariva. Niakatra izaitsizy ny rano tao anatin’ny ora-nikija. Avy nirava niasa izy tamin’io fotoana io ka teny an-dalana hody no nitranga ny loza. Latsaka tao anaty lavaka izy saingy voatazon’ireo olona niara-dalana taminy. Tsy hay rahateo ny manavaka ny lalana […]