Tselatra

TSELATRA

Maty voatifitry ny miaramila DSS12 ny dahalo saika handroba tao amin’ny tanànan’Ambatofotsy, fokontany Miaramanana, kaominina ambanivohitr’i Tampo­na­la, distrikan’i Soavinandriana, afakomaly alina. Efa malaza ratsy ao amin’ity tanàna ity ny fisian’io olon-dratsy io ka antony nahatonga ny miaramila nametraka vela-pandrika. Naiditra am-ponja vonjimaika, afakomaly, miandry ny fotoam-pitsarana azy ny jiolahy iray […]

SOMBIM-BAOVAO

Notanterahina nanomboka omaly, teny Ankadikely Ilafy, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Tenisy, sokajy zandriny. Tazana mandray anjara amin’izany, ilay vehivavy malagasy U-16, Rajaobelina Iriela. Tsiahivina fa nandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy, Akomba, izy, nandritra ny lalaon’ny Nosy 2023. Manomboka mandeha ny fanazarantenan’ireo klioba rehetra eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. […]

INDRAY MIJERY

Tokony hanana fahazarana manasa ny voankazo sy ny legioma hanina manta amin’ny rano sy savony ny rehetra hisorohana ny aretim-pivalanana mahazo vahana rehefa betsaka ny rotsakorana, hoy ny mpitsabo. Rano avy nampangotrahina koa no mety indrindra hosotroina, indrindra ho an’ny ankizy madinika. Afaka manao fitiliana ny aretina tazo, Covid-19 ny […]

TARATRY ny KANTO

« Le Mystère d’Octobre ». Haseho an-tsehatra, anio, eny amin’ny AFT Andavamamba, ny teatra “Le Mystère d’Octobre”, iarahana amin’ny Tropy mpiangaly teatra avy ao amin’ny Lycée Jules Ferry. Ity fampisehoana ity no entina hamaranana ny “Festival des Livres Thrillers”, andiany faharoa. Kilalaon-tsaina. Ao anatin’ny fampiofanana sy fampianarana mahakasika ny Fanorona […]

VAOVAO TAMBATRA

Miisa 32 ireo Malagasy nandray anjara ta­min’ny “African Business Education for Youth Initiative (ABE Initiative)”. Fandaharanasa karakarain’ny JICA, nanomboka ny taona 2013, ny ABE initiative izay ahafahan’ireo mpandray anjara misitraka fianaran’asa sy fandraharahana any amin’ny firenena Japoney. Tanjona ny hampiroborobo ny indostria aty Afrika sy ny fifandraisan’ny firenena roa tonta […]