Tselatra

TSELATRA

Raim-pianakaviana iray namoy ny ainy niha­ran’ny lozam-pifamoivoizana teny Ambohimahitsy, omaly. Nidona mafy tamin’ny sisin-dalana ny moto nentiny. Voa mafy izy ka nentin’ireo nanatri-maso nihazo ny hopitaly. Tsy tana anefa ny ainy vokatry ny fahaverezan-dra be loatra. Nihotsaka avokoa ny hazo handrafetan’ny mpiasa ny trano lehibe iray ao Tsaralalana nandritra ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Nigadona ao Toamasina ny sambo lehibe MS Bolette, nitondra mpizahatany 818. Sambo lehibe faharoa tonga ao an-toerana izy ity taorian’ilay sambo Hebridean Sky, nandalo tao ny 4 janoary teo. Mbola hanohy ny diany any Taolagnaro ny sambo MS Bolette raha efa avy nandalo tao Nosy Be sy izao ao Toamasina […]

INDRAY MIJERY

Tombanana ho betsaka ny rotsakorana ho an’ny tapany avaratra sy avaratra andrefan’ny Nosy, noho ny fisian’ilay rivodoza Belal ao amin’ny ranomasimbe Indianina. Nandefa filazana fampitandremana ny foibe famantarana ny toetry ny andro. Hanan-kery hatramin’ny rahampitso ny fampitandremana. Nisitraka “subvention” roa volana, fahadimy sy fahenina, tamin’ny taom-pianarana 2022-2023 sy roa volana […]

Sombim-baovao

Notanterahina nanomboka ny sabotsy lasa teo ny fiadiana ny amboaran’i Afrika (Can), taranja baolina kitra, tanterahina any Côte d’Ivoire. Andriatianarivelo Dimbiniaina no Malagasy iray nosafidin’ny Caf ho anisan’ireo mpitsara, mandritra ity fifanintsanana ity. Tsiahivina fa hifarana ny 11 febroary ho avy izao ny “Can 2023”. Taorian’izay dimy volana tsy niakarana […]

TARATRY ny KANTO

Tanterahina eny amin’ny Fondation H Amba­tomena, ny 20 janoary 2024, ny famoahana sy fampahafantarana ny katalaogin’i Madame Zo, novokarin’ny Fondation H. Hisy ny famelabelaran-kevitra maro iarahana amin’ny malagasy sy ny vahiny mpahay kanto. Eo koa ny fampisehoana ara-javakanto handravahana izany. Handray anjara amin’ny « IFFR festival de Rotterdam », atao ny 25 […]