Tselatra

SOMBIM-BAOVAO

Notanterahina ny sabotsy lasa teo, tao amin’ny kianjan’ny Camp Nou, ny “El Classico 2023” any Espagne. Lavon’ny Real Madrid, tamin’ny isa 2 no ho 1, ny FC Barcelone. Baolina tafiditr’i Bellingham, mpilalao Real Madrid no nitondra fandresena ho an’ireo Madri­lenina. Eo amin’ny laharana voalohany, araka izany, ny Real Madrid. Lavon’ilay […]

TARATRY ny KANTO

Logos Hope. Nigadona tao Antsiranana, ny faran’ny herinandro teo, ny Logos Hope, sambo famakiam-boky sy mivarotra boky lehibe indrindra, izay mitety firenena maro. Hatramin’ny 12 Novambra moa izy no hijanona ao an-toerana, ka azon’ny rehetra tsidihina. Maimaimpoana izany ho an’ny ankizy latsaky ny 12 taona. Efa madiva hifarana ny « Festival […]

FANTINA sy FINTINA

Hiala nenina amin’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena ny kandidà 10, anio, araka ny lahateny teny Antsonjombe, ny sabotsy teo. Hitondra taratasy miantso fandraisan’andraikitra amin’io minisitera io sy ny polisim-pirenena izy ireo. Narangaran’ireo kandidà koa fa hiditra eo amin’ny kianjan’ny 13 mey izy ireo raha tsy misy ny vahaolana. Mitaky ny handravana […]

TSELATRA

Tapitra kila hotohoton’ny afo ny toeram-pisakafoana iray eny Bel’Air, ny faran’ny herinandro teo. May avokoa ny entana rehetra tao an-dakozia. Tsy fantatra mazava ny antony nahatonga ny firehetana fa ny tao amin’ny faritry ny lakozia no nisy afo nijoalajoala. Tonga teny an-toerana nanao ny asam-pamonjena ny avy ao amin’ny sampana […]

SOMBIM-BAOVAO

Volley-ball, «Coupe de Mada». Nanomboka omaly zoma 27 oktobra, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja Volley-ball. Fifaninanana tanterahina any Mahajanga ary haharitra hatramin’ny 4 novambra izao. Manana solontena avokoa ny ligim-paritra rehetra manerana ny Nosy. “Basikety-fampiofanana”. nifampizara traikefa tamin’ny Malagasy mpitsara, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina omaly, ny manampahaizana iraisam-pirenena […]