Raim-pianakaviana 45 taona maty voatsatotsatok’antsy tao amin’ny kaominina Ambodivoara, distrikan’i Sambava, ny sabotsy 13 janoary teo. Matetika manan-draharaha eny amin’ny fitsarana nateraky ny ady tany ity namoy ny ainy ity sy ilay olona nahavanon-doza. Niafara tamin’ny fifamonoana io olana io. Ankizy 13 taona nalain’ny mpaka an-keriny ka natakalo lelavola 1 200 000 […]
Tselatra
SOMBIM-BAOVAO
Nandresy, tamin’ny isa 3 no ho 0, an’i Zimbabwe i Madagasikara, nandritra ny fifaninanana «ITF/CAT Africa», taranja tenisy, sokajy «junior» U16, lehilahy. Mipetraka laharana voalohany izy ireo, raha toa ka mandresy an’i Afrika Atsimo. Ho an’ny vehivavy U14, mila mandresy an’i Eswatini izy ireo raha tiany ny hanao manasa-dalana. Nifindra […]
VAOVAO TAMBATRA
Vita ny asa fikojakojana ny milina famokarana rano eny Mandroseza, omaly. Nosoloina ny taribin-jiro, norantsanana ny hazo ary nodiovina ny sinibe «décanteur». Efa niverina amin’ny laoniny ny herinaratra sy ny famokarana rano ary tonga tsikelikely any amin’ny mpanjifa. Entanina ny mpanjifa handefa elaela ny paompy, mandra-piverin’ny rano amin’ny laoniny. Mbola […]
INDRAY MIJERY
Fandaminana anatin’ny minisitera no antony namoahana ny naoty avy amin’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Ireo hetsika ara-pahasalamana manatona vahoaka, araka izany, no voararan’ny hetsika fivorivoriana. Tsy voakasik’izany kosa ny fanaovana fety sy fivoriam-pianakaviana. Nidina teny amin’ny EPP Ambodifiakarana Isotry, EPP Ampefiloha cité, EPP Anatihazo Isotry ny CUA nanentana ny tsy […]
TARATRY ny KANTO
Aynah eny amin’ny Fara West Café Faravohitra. Tsy nahazo ny “Prix RFI Musique 2023” izy. Tsy nitsanga-menatra kosa anefa, satria anisan’ireo natahoran’ny mpifaninana taminy. Mitohy hatrany ny lalana ho an’ity mpanakanto ity, ka hizara ny mozikany ho an’ireo mpankafy indray izy, anio, manomboka amin’ny 7 ora sy sasany alina, eny […]




