Volley-ball, «Coupe de Mada». Nanomboka omaly zoma 27 oktobra, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja Volley-ball. Fifaninanana tanterahina any Mahajanga ary haharitra hatramin’ny 4 novambra izao. Manana solontena avokoa ny ligim-paritra rehetra manerana ny Nosy. “Basikety-fampiofanana”. nifampizara traikefa tamin’ny Malagasy mpitsara, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina omaly, ny manampahaizana iraisam-pirenena […]
Tselatra
VAOVAO TAMBATRA
Vonona sy afaka miasa ireo fitaterana an-dalamby (train urbain) eto an-drenivohitra. Efa vita avokoa ireo fiantsonana rehetra hatreny Amoronakona. Hiodina amin’ny “diesel” ity fitaterana ity ary mahavita zotra hatramin’ny enina isan’andro. Misy ny dingana sy lamina amin’ny fidirana ny amin’ny “train urbain électrique”. Mpizahatany 4 931 avy any Pologne no […]
TARATRY ny KANTO
Ady hiragasy etsy Ampefiloha. Mitohy hatrany ny fihaonan’ny mpiangaly sy mpankafy hiragasy, etsy amin’ny Kianja Ampefiloha. Hifandona ny alahady izao ny tropy Ramanamahefa avy any Antaninandro sy Rakotomandimby Jean Pierre avy any Morarano Gara. Maimaimpoana hatrany izany, saingy entanina kosa ireo mpankafy fa misy ny rakitra hotatazana ho an’ireo mpanakanto. […]
FANTINA sy FINTINA
Nidina an-dalambe nanentana ny rehetra hampaneno sarom-bilany sy kiririoka ny Hetsiky ny firaisamonim-pirenena, omaly tamin’ny 12 ora atoandro, teto an-drenivohitra. Nambaran’izy ireo fa fanehoana antso sy taraina izany. Hitohy etsy Antsonjombe indray ny hetsiky ny kandidà 10, anio. Tsy hisy ny diabe tahaka ny mahazatra fa hifamotoana avy hatrany eny […]
Tselatra
Naratra mafy ny mpitondra bisikileta iray nofaohin’ny fiara 4×4 teny Ampitatafika, omaly maraina. Tao anatin’ny fotoana fandehanan’ireo fiara ho famahana ny fitohanan’ny fiara niainga avy any Ampitatafika mivoaka ny tetezan’Anosizato no nitranga ny loza. Nirimorimo nandeha mafy ireo fiara ka voafaoka ilay mpandeha bisikileta. Potika ny bisikileta raha nentina […]