Naratra mafy ny jiolahy iray nanendaka mpivarotena teny 67 ha, afakomaly alina. Nisintona tampoka ny poketra teny an-tanan’ilay mpivarotena ilay jiolahy, namaly ny lasibatra. Nifampitolomana teo ilay mpanendaka. Azo ny poketra teny an-tanany saingy naratra mafy, noho ny daroka nahazo azy, kosa ilay olon-dratsy. Tafatsoaka anefa izy taorian’izay. Tohivakana ny […]
Tselatra
SOMBIM-BAOVAO
Nitohy teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, omaly, ny fanomanan-tenan’ny Ankoay Seniors, lehilahy, hiatrika ny fifaninanana, Pré-qualiafication « Afrobasket 2025 ». Fifaninanana hatao eto Madagasikara, ny 16 hatramin’ny 19 janoary ho avy izao. Mpilalao 12 hatramin’izao no efa mivondrona ary andrasana kosa ireo mila ravinahitra. Fandaharam-potoana goavana miandry ny taranja kick-boxing malagasy, amin’ity taona […]
INDRAY MIJERY
Nampahafantatra ireo fambaran’aretina heverina ho tiberkilaozy ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Mila mailo raha toa ka mihamahia, tsy mazoto homana, mikoha-maina maharitra…Maimaimpoana ny fitiliana ny aretina tiberkilaozy. Toraka izany ny fanafody sy ny fandraisana an-tanana ny zaza mila fitiliana. Mitohy ny lamina amin’ny fandraisana fisotroan-dronono. Omaly no anjaran’ireo manana laharana miafara amin’ny […]
TARATRY ny KANTO
Mozika tsisy fefy, etsy amin’ny Custom Café. Afaka manomboka ny fialamboly anio manomboka amin’ny 7 ora sy sasany alina ny mpankafy ny gadona Rock, Funk ary Jazz. Hianjoria miaraka amin-dry Eric Rakotoary eo amin’ny gitara beso, Gérard Ratsimiseta eo amin’ny gitara ary i Eric Andrianiaina eo amin’ny amponga maroanaka. Ny […]
FANTINA sy FINTINA
Natomboka omaly ny fizarana zana-kazo tao amin’ny fitantanam-paritry ny tontolo iainana (Dredd) Vakinankaratra. Marihina fa maimaimpoana ny zana-kazo alaina any amin’ireo Dredd manerana ny faritra 23 eto amin’ny Nosy, saingy misy kosa ny fepetra hentitra tsy maintsy arahin’ny mpangataka, sady arahin’ny teknisiana maso eny amin’ny toerana hambolena ny hazo. Tafapetraka […]




