Tselatra

VAOVAO TAMBATRA

Miisa roa ny milina « electropompes »-n’ny Jirama amboarina eny Mandroseza. Tsy mbola miverina amin’ny laoniny, noho izany, ny fama­tsian-drano eny amin’ny faritra maromaro eto an-drenivohitra. Toy ny eny Ivandry, Analamahitsy, Ambohitrarahaba, …, Soavinandriana, Ambo­ditsiry, Anjanahary, Manjakaray, Faravohitra, Fort Voyron, sns. Hanomboka rahampitso ka hatramin’ny ala­hady 1 oktobra izao ny […]

SOMBIM-BAOVAO

Taorian’ireo resa-be mahakasika an’ ilay Malagasy mpilalao baolina kitra, Rakool. Nilaza Rakotoarimanana Henintsoa na i Tôta, filohan’ny “Orang­e Pro League” sy ny klioba CFFA fa tsy any Ambohimirary ny tenany fa any France amin’izao fotoana izao. Miandry ny anaran’ilay klioba fotsiny isika hoy ihany i Tôta. Ratovoarilandy Marlyn, Malagasy mpilalao […]

INDRAY MIJERY

Mbola misy eto Madagasikara ny aretina habokana. Nihaona tao Fianarantsoa ny mpiantsehatra rehetra miady amin’ny habokana any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy, ny faran’ny herinandro teo. Manamafy ny ady atao, nanao jery todika sy nandrafitra ireo paikady. Marihina fa maimaimpoana ny fitiliana sy ny fitsaboana izany eto Madagasikara. Ao anatin’ny fotoana […]

TARATRY ny KANTO

« Afondasin’Andohalo ». Hanafana ny sehatry ny « Afondasin’Andohalo » ny zoma 29 septambra 2023, i Princio. Hisongadina manokana mandritra io hetsika io, araka izany, ny hiran’ity mpahay kanto malaza ity. Hisy hatrany anefa ny sehatra misokatra ho an’ny rehetra sy ny hetsika nahafantarana ny “Afondasin’Andohalo” hatramin’izay. « Kitantara ». Hitondra ny sombiny amin’ny asa sorany […]

FANTINA sy FINTINA

Raikitra indray ny “Angaredona” amin’ny haino aman-jery. Hiverina haneho hevitra amin’ny haino aman-jery maromaro ireo mpomba ny kandidà 11, ny alakamisy izao ary hitohy isan’andro. Ha­nomboka amin’ny 9 ka hatramin’ny 12 ora ny fandaharana ary hifandimbiasan’ny lohahevitra maromaro. Haneho hevitra ireo sehatra hafa rehetra. Manome herinandro hifampidinihana mom­ba ny raharaham-pirenena […]