Tsy manao ny “Ka tianao va?” intsony i Judicaël. Niteraka resabe tanaty tambajotran-tserasera ny fitarainan’i Thierra Bruno sy ny zanany fa tsy nanaja ny fifanarahana i Judicaël, nampindramina ilay hira “Ka tianao va?”. Taorian’ny fifampiresahana, nifanaraka ny roa tonta fa tsy hanao “cover” ity hira ity intsony ny tovolahy. Mila mifanaraka […]
Tselatra
FANTINA sy FINTINA
Niarahaba ny filohan’ny Federasionin’ny baolina kitra (FMF) vaovao, Randriamanampisoa Alfred, ny kandidà Rajoelina Andry, amin’ny maha mpankafy azy io taranja io. “Manantena aho fa hitondra rivo-baovao ho an’ny kitra ianareo ka hanome aina indray ity taranja tiantsika ity. Ho eo akaikinareo aho ary vonona hifanome tanana”, hoy izy. “Tsy fananan’ny […]
TSELATRA
Navotsitry ny mpitandro filaminana ilay mpilalao horonantsarimihetsika malagasy, Jork Imbilaya, voasambotra tao Imeritsiatosika, omaly. Anisan’ireo nitarika fidinana an-dalambe mifandraika amin’ny hetsika ataon’ireo kandidà miisa 11 izy. Nampahafantatra tamin’ny tambajotran-tserasera izy rehefa nalefan’ny mpitandro filaminana nody. Mpamaky trano ikoizana maty voatifitra tao Ankiliniabo, kaominina Analavory, ny alarobia 18 oktobra teo. Nifanenjehan’ny […]
VAOVAO TAMBATRA
Efa tafakatra 3 300 Ar ny kilaon’ny vary makalioka, nanomboka tamin’ity herinandro ity teto an-drenivohitra. Misy mihitsy aza ireo mpaninjara mivarotra 1 000 Ar ny iray kapoaka, izany hoe 3 500 Ar ny kilao. Milaza izy ireo fa mahatonga izany ny fiakaran’ny vidiny ataon’ny mpanangom-bokatra, satria misy ny mpandraharaha mahavita […]
INDRAY MIJERY
Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny alarobia teo, ny fisokafan’ny fiofanana nasionaly na ny concours d’entrée à l’internat qualifiant en médecine, amin’ity taona 2023 ity. Mpianatra ho mpitsabo miisa 60 no kendrena horaisina amin’izany. Ny 50 amin’izany dia sivily ary ny 10 kosa dia miaramila. Nahazo fitaovam-pianarana, ahitana kahie, penina, aronakanjo […]