Tselatra

Sombim-baovao

Hotanterahina anio indray, ny andro faha-19, fiadiana ny ho tompondakan’i Angleterre, « Premier League 2024 », taranja baolina kitra. Anisan’ireo hiakatra kianja androany, ny Manchester City, tompondaka farany. Hifanandrina amin’izy ireo ny ekipan’ny Sheffield United. Lalao hatao ao amin’ny Etihad Stadium Manchester. Hotontosaina anio, ao amin’ny kianja Barikadimy Toamasina, ny lalao ara-pirahalahiana, […]

Vaovao tambatra

 Mitohy ny fanaraha-maso ny vidin’entana eny an-tsena, hisorohana ny fanararaotana amin’izao andro fety izao. Manodidina ny 800-850Ar ny kapoaka ny vary gasy fotsy sy ny  tsipala. Mahatratra 900-950Ar kosa ny kapoaka ho an’ny dista sy makalioka ary ny vary gasy mena Manalalondo sy ny Mangamila. Manodidina ny 950Ar ny kapoaka […]

Indray mijery

Distrika 83 ahitana tranga betsaka eto Madagasikara, ary olona miisa 15 324 583, no nisitraka fizarana fanafody faobe fanefitry ny « filariose lymphatique » na ongobe. Tafiditra amin’ny fisorohana ara-pahasalamana ny hetsika ary ao anatin’ny paikady manatona vahoaka. Fanafoanana ireo aretina ireo alohan’ny taona 2030 no tanjona amin’ny fizarana fanafody ho an’ny daholobe. […]

Taratry ny kanto

Na somary mbola vitsy aza, manomboka mahafantatra sy manaja ilay fiverenana eny ifotony ny Malagasy. Mipoitra etsy sy eroa ny fifanakalozan-kevitra momba ny fomba amam-panao. Nanjary liana amin’izany resaka izany ny Malagasy. « Tsy antsika io 1 janoary io. Diso io 1 janoary io. Isika manana ny volana marsa… » ! Na izany […]

Fantina sy fintina

Namory ireo governora rehetra ny minisitry ny Atitany. Nanteriny fa haverina ny filankevitry ny faritra. “Tanjona ny handraisana fanapahan-kevitra ho amin’ny fampandrosoana iarahana amin’ny filohan’ny Repoblika sy ny praiminisitra. Manao tatitra ny asa vita isan-telovolana koa ny rehetra”, hoy izy. .   “Misy fanjakana ve eto ? “, hoy ny […]