Tselatra

INDRAY MIJERY

Hitandroana ny fahasalamana, misy fihetsika tsara ho fantatra manoloana ny vanim-potoana ma­fana. Ilaina ny misotro rano madio matetika, 1,5 l isan’ andro, ny mitondra fitafiana maivana sy satroka. Tokony hatao azon’ny rivotra tsara ny trano fonenana sy ny toeram-piasana ary aleo mipetraka amin’ny toerana maloka sy mangatsiatsiaka. Zava-dehibe ny fahadiovan’ny […]

TARATRY ny KANTO

Mitohy ny ady hiragasy. Hifandrina etsy amin’ ny Kianjan’ny Hiragasy Ampefiloha ny tarika Ra­farahasimanga Georgine avy any Ambohimandroso, sy ny Ra-Chri avy any Andohavato, ny alahady 22 oktobra izao, manomboka amin’ny 10 ora maraina. Toy ny mahazatra, maimaimpoana hatrany izany. Hisy kosa ny fitatazan-drakitra ho an’ireo mpifanandrina. Nankasitrahana ny “Sitabaomba”. […]

VAOVAO TAMBATRA

Trano roa no tratra nangalatra jiron’ny Jirama, tamin’ity herinandro ity. Toeram-pisakafoana eny Ambanidia ny voalohany, ary hotely lehibe eny Manjakaray Anjanahary ny faharoa. Manentana ny rehetra ny Jirama, hampandre ny laharana maitso 547, raha misy mahita na mahalala fandikan-dalàna toy izao, izay mijanona ho tsiambaratelo ny momba azy. Natao ny […]

TSELATRA

Dahalo iray tamin’ireo folo lahy nanafika tao amin’ny fokontany Andaro, Isoanala, maty voatifitry ny mpitandro filaminana afakomaly tamin’ny 11 ora alina. Nikasa hanafika tokantrano iray tao amin’io tanàna io ireo olon-dratsy no naharay antso ny mpitandro filaminana. Raikitra ny fifandonana ka lavo ny iray tamin’ny dahalo. Mpangarom-paosy iray nanararaotra nanao […]

VAOVAO TAMBATRA

Ho tapaka ho an’ny fiara vaventy ny ampahan-dalana RN 2, eo amin’ny PK 60+300 eny Mandra­ka, rahampitso alakamisy 19 oktobra. Ma­nomboka amin’ny 10 ora maraina izany hatramin’ny 3 ora tolakandro. Antony, ny fanamboaran-dalana ka anisan’izany ny fandrakofana tara. Nidina ifotony nandamina ny disadisa teo amin’ny samy mpitrandraka « quartz rose », tany […]