Tselatra

Fantina sy fintina

Nampita hafatra noho ny fetin’ny Noely ny filoha teo aloha, Ravalomanana. Nambarany fa ilaina ny fanetren-tena ary mametraka ny fiainan’ny firenena. “Fandaminana avy amin’ny Tompo ny zava-miseho ary aza matahotra. Aoka hanaiky ny sedra“, hoy izy. Vonona hiatrika ireo fifidianana rehetra ho avy ny antoko Tsara Tahafina, tarihin’i Paraina Auguste. […]

Tselatra

Lehilahy nanolan-jaza matin’ny fitsaram-bahoaka tao Maroantsetra, ny faran’ny herinandro teo. Zazavavy enin-taona nanamparany ny filan-dratsiny. Nenjehin’ny fokonolona tao an-tranony ilay nahavanon-doza saingy tafaporitsaka. Tratra ity farany ary maty rehefa niharan’ny fitsaram-bahoaka. Notsaboina ilay zazavavy nihosin-dra. Lehilahy iray mpamboly rongony nosamborin’ny mpitandro filaminana tao Ivohibe, fokontany  Antanimandeha, kaominina  Miantsoarivo,  distrikan’Arivonimamo, ny […]

Sombim-baovao

Norombahin’ny Manchester City, anglisy klioba ny famaranan’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany ho an’ireo klioba “Mondial de Club 2023”. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 4 no ho 0 ny Fluminense Brezila ekipa. Marihina fa nahazo amboara efatra ny Manchester City tamin’ny taom-pilalaovana 2022-2023. Nisaraka ady sahala 1 no ho 1 ny  […]

Indray mijery

Nandray fepetra manokana ny ATT nandritra ny faran’ny herinandron’ny fety, ahafahana mamaha ny olana sy mampandeha ny raharaha. Mbola hisokatra ny ATT Soarano ny sabotsy 30 desambra ho an’ireo izay hitondra taksiborosy na taxi-be ivelan’ny lalana mahazatra ka haka ny fahazoan-dalana manokana amin’izany. Amin’izao ankatoky ny fety izao, manafatrafatra ny […]

Vaovao tambatra

Manodidina ny 10,5% ny fiakaran’ny vidim-piainana, ny hatramin’ny volana aogositra 2023, araka ny fanadihadian’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI). Anisan’ny anton’ny fitotongan’ny sandam-bola Ariary. Tokony ho 9,5% ny vinavinany ny tany am-boalohany. Ho an’ny Ivontoeran’ny antontanisam-pirenana Instat, anefa, 8,5% ny tarehimarika navoakany. Tsy mbola nivoaka ny antontanisa farany ho an’ny taona 2023. […]