Raim-pianakaviana iray namoy ny ainy vokatry ny ratra mafy nahazo azy tao Tanambao Verrerie, afakomaly. Nody alina, tamin’ny 12 ora, io lehilahy 58 taona io. Miasa ao amin’ny Spat ao an-toerana, anisan’ireo mpibata entana izy. Nihosin-dra ny tarehiny rehefa izy avy namonjy lanonana. Hatairana ny an’ny fianakaviany nahita ity raim-pianakaviana […]
Tselatra
SOMBIM-BAOVAO
Hotontosaina ny alahady 15 oktobra izao ny fiadiana ny tompondakan’ny seksiona Antananarivo Renivohitra, taranja karate, araka ny fampahafantarana natao ny faran’ny herinandro teo. Hatao avy hatrany aorian’io ny fiadiana ny tompondaka an’Analamanga, eo amin’ity taranja ity. Efa nisokatra omaly, ny « Fenêtre FIFA ». Anisan’ireo hiatrika lalao ara-pirahalahiana iraisam-pirenena amin’izany i Madagasikara. […]
INDRAY MIJERY
Ny hafanana mihoapampana no misongadina ato anatin’ny telo andro ho avy any amin’ny tapany avaratry ny Nosy. Mila mailo ireo mpampiasa ranomasina any amin’ny morontsiraka afovoany andrefana, atsimo andrefana, atsimo ary atsimo atsinanan’ny Nosy satria hahery ny ranomasina. Mety hahatratra 2,5m ny haavon’ny onja manomboka eo Maintirano hatrany Morondava ary […]
VAOVAO TAMBATRA
Mora ny vidin’ny legioma izao satria fotoana fanaovana ny voly avotra izay fambolena legioma, tena fidiram-bolan’ny tantsaha. Manodidina ny 2 000 Ar ny kilaon’ny voatabia sy ny tongolobe eny amin’ny tsenan’Andravoahangy. Somary lafo kosa ny karaoty, izay 1 500 Ar ny kg, raha 800 Ar rehefa amin’ny fotoana maha vokatra […]
TARATRY ny KANTO
Hahemotra ny “Full Moon Party”. Hetsika iray saika hotontosaina any Toamasina, mandritra ny roa andro sy alina izy io, ny 27 sy 28 oktobra ho avy izao. Noho ny toe-draharaha misy eto amin’ny firenena anefa, voatery ahemotry ny mpikarakara amin’ny fotoana manaraka izany. Mazava loatra fa amin’ny fotoana diavolana, araka […]