SOMBIM-BAOVAO

Hotontosaina ny alahady 15 oktobra izao ny fiadiana ny tompondakan’ny seksiona Antananarivo Renivo­hitra, taranja karate, araka ny fampahafantarana natao ny faran’ny herinandro teo. Hatao avy hatrany aorian’io ny fiadiana ny tompondaka an’Analamanga, eo amin’ity taranja ity.

Efa nisokatra omaly, ny « Fenêtre FIFA ». Ani­san’ireo hiatrika lalao ara-pirahalahiana iraisam-pirenena amin’izany i Madagasikara. Ny 14 oktobra ho avy izao izy ireo no hihaona amin’i Mauritanie, raha toa ka ny 17 oktobra no hifanandrina amin’i Benin. Tsiahivi­na fa ny Malagasy mpanazatra, Rakotondrabe Romuald Felix na Coach Rôrô no hitondra azy ireo amin’izany.

Hotanterahina ny 14 -15 oktobra ho avy izao, any Tunisie, ny fifaninanana ady tapakila hafahana miatrika ny lalao Olympika Paris 2024, taranja Rugby lalaovin’olona fito vehivavy. Anisan’ireo hiatrika izany i Madaga­sikara. Ny Makis vehivavy, efa nandrombaka medaly volamena nandritra ny lalaon’ny Nosy izay natao teto amintsika, ny 25 aogositra – 3 septambra lasa teo.

Ny 24 oktobra ho avy izao, hiditra amin’ny andro fahatelo ny fiadiana ny tompondakan’i Eoropa, Ligue des Champions 2024. Anisan’ireo lalao tena andrasan’ny maro amin’izany, ny fihaonana eo amin’ny Seville Espaniola sy ny Arsenal Anglisy. Marihina fa any Espagne no atao ity lalao mandroso ny roatonta ity.

Partager sur: