Tselatra

TARATRY ny KANTO

Musée de la Photographie Anjohy. Nisokatra ny 6 oktobra 2023, eny amin’ny Musée de la Photographie Anjohy, ny fampiratiana « Voyage en pays Bara et Vezo ». Rantin-tsary anehoan’i Jacques Fablée ny talenta amin’ny fanehoana an-tsary ny hakanton’ny tontolo amin’iny foko Bara sy Vezo iny. Madajazzcar. Hameno ny ivon-toeran’ny kolontsaina maro samihafa […]

FANTINA sy FINTINA

Nilaza ny hampiakatra ny raharaha any amin’ny fitsarana iraisam-pirenena ny kandidà, i Paraina Auguste. “Miantso anareo mpitandro filaminana mba hampitsahatra ny herisetra amin’ireo mitaky ny fampiharana ny tany tan-dalàna sy ny zo fototra”, hoy izy. Efa tsy azo antoka ny zandary sy ny fitsarana ka voatery izahay hampiakatra izany amin’ny […]

TSELATRA

Tovolahy 14 taona maty vokatry ny fipoahan’ ny basy nolalaoviny tao Andasibe Moramanga, ny alakamisy tolakandro teo. Nisavasava tao an-trano ka nahita basy poleta izy mirahalahy. Niara-nilalao izany ireto farany kinanjo voatifitra tampoka ny kibon’ny iray. Nitarika tamin’ny famoizana aina izany. Vehivavy iray naratra mafy voadaroka teny Tanjombato, ny harivan’ny […]

SOMBIM-BAOVAO

Norombahan’Andriantefihasina Elisoa sy Raolina Noemie, ny tompondakan’i ITF ho an’ny sokajy «double» vehivavy. Lasan-dRabarijaona Tefy Ranja sy Rajini Rurik, ny an’ny lehilahy «double». Nihintsana teo amin’ny manasa-dalana kosa, Ramanantoanina Ravaka, solontenan’i Madagasikara tamin’ity fifaninanana ity, ho an’ny “simple”, vehivavy. Hifanandrina amin’i Afrika Atsimo, mpampiantrano i Madagasikara anio, amin’ny fifaninanana «Cosafa […]

VAOVAO TAMBATRA

Mahatratra 320 t ny tahirim-bary akotry ao Main­tirano amin’izao fotoana izao. 4000 gony amin’ireo 80 kg ny vokatra ka feno ny trano fitehirizam-bary akotry any amin’ireo fitotoam-bary ao an-toerana. Mbola voatazona ho 680 Ar ka hatramin’ny 700Ar kosa ny kapoakan’ny vary gasy, izany hoe 2 380Ar ny iray kg. Hadihadiana […]