Tselatra

TSELATRA

Olona iray namoy ny ainy voadonan’ny kamiao tao Ilafy, Avaradrano, afakomaly. Tapaka hisatra, nifatratra tamin’ny tamboho io fiarabe io. Olona roa voafaoka ka maty tsy tra-drano ny iray. Nen­tina namonjy hopitaly ny iray naratra mafy. Pasitera amina fiangonana zandriny iray tratra nangalatra moto tao Ambohiman­gakely, afako­maly. Very moto ny lehilahy […]

TARATRY ny KANTO

Hosafidiana amin’ny “Prix du Mérite Citoyen”, any Erquelinnes, Belgique i Pata Njava. 8 izy ireo no milahatra anatin’izany, izay heverina fa mitondra ny mahasoa hoan’ny fiarahamonina, isaky ny sehatra misy azy avy. Mpikambana ao amin’ny tarika Njava sy ny tarika Syarez no tena ahafantarana an’i Pata. Mpi­angaly sy mpampianatra mozika, […]

SOMBIM-BAOVAO

Cosafa Women. Nampafantarina ny talata lasa teo ny anaran’ireo mpilalao 23 vavy mandrafitra ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar. Tsiahivina fa nisy dingana telo no natao nitilina ireo mpilalao ireo. Marihina fa ny Cosafa Women, hotanterahina ny 23 aogositra – 3 septambra ho avy izao, atsy Afrika Atsimo. Elgeco Plus. Niainga […]

INDRAY MIJERY

66, 32 % ny taham-pahafahana bakalorea ho an’ny faritanin’Antsiranana, ho an’ity taona ity, 11 468 ireo nahazo ny mari-pahaizana ka ny 10 616 (64, 96 %) amin’ireo avy amin’ny fampianarana ankapobeny. 56,96 % ny taham-pahafahana ho an’ny faritanin’i Mahajanga ary 56,35 % amin’io ho an’ny fampianarana ankapobeny. Nisitraka fanampin-tsakafo miisa 952 […]

Vaovao tambatra

Tafiditra ho anisan’ireo toerana tsara indrindra ialana sasatra, amin’ity taona ity, i Madagasikara, araka ny lahatsoratra an-gazety navoakan’i Le Figaro, hoy ny « confédération du tourisme de Madagascar », omaly. Anisan’ny mahasarika ny mpizahatany ny tontolo iainana, ny rohivoaary,ny karazana zava-mananaina mampiavaka ity Nosy ity. Manomboka androany, haharitra roa andro ny fiofanana […]