“Blague Friday Folk” etsy Ambondrona. Handray an-dry zalahy tanora mpanao hatsikana ny toerana, hanafana ny fotoana anio, manomboka amin’ny 6 ora hariva. Hifandimby an-tsehatra mandritra izany ry Raitra Belawyck, Aina Maharavo, Orima Sarobidy, Rataaken sy ireo mpanao hatsikana hafa mbola hanatevina an-dry zareo. Jeneraly, etsy amin’ny Piment Café. Hiverina kely […]
Tselatra
SOMBIM-BAOVAO
Hanatanteraka fiofanana B ny Malagasy mpanazatra Barea de Madagascar, Rakotondrabe Romuald Félix. Fanamby goavana ny miandry an’i coach Rôrô ny hanaovan’ny Barea de Madagascar Mondial 2026, amin’ity fifanintsanana ity, Araka ny vaovao navoakan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly, misy lalao ara-pirahalahiana roa hatao amin’ny volana marsa ho avy izao. […]
FANTINA sy FINTINA
Efa mananika maherin’ny 80% ny voka-pifidianana voarain’ny Ceni, omaly hariva tamin’ny 7 ora. Tsy nisy fiovana fa mitarika hatrany ny kandidà Rajoelina, nahazo ny 59,80%. Faharoa, nahazo ny 12,83% ny kandidà Ravalomanana, arahin’ny kandidà R. Siteny, 12,76%. “Raharaha Andohanimandroseza”, tsy misy mpiambina ny filohan’ny Antenimiera ireo voatifitra, araka ny nambaran’ny […]
TSELATRA
Zazakely iray naratra mafy nianjeran’ny sobika feno manga teny Anosibe Tsena, omaly atoandro. Kamiaobe iray feno manga no nivarotra teny an-toerana. Nifandrombaka ireo mpividy ka nianjera tamina zazakely zanaka mpivarotra teo akaikin’ilay fiara ny sobikabe nisy manga. Na teo aza ny ratra nahazo azy, avotra soa aman-tsara ihany ny ainy. […]
SOMBIM-BAOVAO
Tsy nandeha namonjy ny filankevitrin’ny fitsipi-pifehezana (CODIS) tany Thailande, ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny tsipy kanetibe (FSBM), Andriamilerovason Amiroudine. Nohamafisiny ihany fa efa nandefa taratasy tany amin’ i Claude Azema, filoha iraisam-pirenenan’ity taranja ity ny tenany amin’ny antony izany. Lavon’i Comores tamin’ny isa 1 no ho 0 i Ghana, ny talata […]




