Kanto Manabe. Tanterahina eny amin’ny Lapan’ny tanànan’Antananarivo, mandritra ity volana Aogositra 2023 ity, ny fampirantiana sary, karakarain’ny Sekolin’ny Sary, miaraka amin’ny Kaominina Antananarivo renivohitra, amin’ny alalan’ny DACVC. Ankizy sy Tanora, manodidina ny 15 taona no mampiranty ny sanganasa sy ny talentany amin’izany. “Salon des jeux de société”. Tanterahina eny amin’ny […]
Tselatra
FANTINA sy FINTINA
Haneho ny heviny momba ny fifidianana Razafinjoelina Tahina. Hanambara ny vina ho an’i Madagasikara sy hiresaka momba ny fiainam-pirenena anio ilay mpandraharaha, Razafinjoelina Tahina. Mpampianatra sy mpitantana orinasan-tserasera izy. Arahina amin’ny fahitalavitra tsy miankina, maromaro izany fanehoan-keviny izany. Tombanana fa mety ho kandidà filohan’ny Repoblika ny tenany. Efa betsaka ireo […]
TSELATRA
Fatin-dehilahy iray tsy nisy loha intsony, hitan’ny fokonolona tao Amporaha Dzamandzar Nosy-Be, afakomaly. Mponina monina ao an-toerana ihany ity hita faty ity. Ahiana ho nalain’ireo tsy mataho-tody ny lohany izay tsy hita teo aminy intsony. Olona iray namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana tao Sakaraha, afakomaly. Nitondra mpivavaka ny karandalana […]
SOMBIM-BAOVAO
Laura. Nibata ny medaly volamena ho azy koa i Laura Rasoanaivo teo amin’ny taranja Judo sokajy -70kg, amin’ny lalaon’ny Frankôfônia andiany fahasivy, atao any Kinshasa, RD Congo. Mamiratra hatrany ity Malagasy mpikatroka ity amin’izay fifaninanana atrehany. Tsiahivina fa izy no voalohany eran-tany eo amin’ny sokajy katsaky ny 70 kilao Barea […]
Vaovao tambatra
Tapitra androany ny fe-potoana telo herinandro hanafoanana ny delestazy, araka ny toky nomen’ny filoham-pirenena, ny fiandohan’ny jolay lasa teo. Etsy ankilany, nilaza ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, fa ho tratra io fe-potoana io, saingy tsy ho foana tanteraka ny fahatapahan’ny herinaratra. Ho tapaka kosa ny famatsiana eny amin’ny […]