Araka ny nambaran-dRakotondrabe Romuald, mpanazatra ny Barea, mpilalao 5 avy atsy La Réunion no nantsoiny hanatevina ny ekipam-pirenena malagasy, hiatrika ny lalaon’ny Nosy. Anisan’izany, i Ando Pro, milalao ao amin’ny JS ST Pierroise. Eo koa i Théodin Ramanjary, vodilaharan’ny AS Sainte Suzanne sy i Rojo Be irakiraky ny Saint Pauloise […]
Tselatra
INDRAY MIJERY
Notontosaina tao amin’ny distrikan’Ikongo ny fametrahana ny vatofototry ny EPP manara-penitra ao amin’ny fari-piadidiam-pampianarana Ikongo. Nitarika izany lanonana izany ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana ao an-toerana, notronin’ireo olom-boafidy sy olom-boatendry amin’iny faritra iny. Amin’izao Herinandro maneran-tany ho an’ny fampinonoana amin’ny nonon-dreny izao, manamafy ny fanentanana, hametrahana toerana voatokana ho an’ireo reny mampinono […]
TARATRY ny KANTO
Sarotra, hono, ny mamaritra ny atao hoe « kanto » ! Andram-pamaritana hita ao anatin’ny boky «Valihan’Ikaky», nivoaka ny taona 2019, nilaza fa : «Rehefa tsy manimba na mamotika na manova ny soatoavina ny «zavatra» iray, dia izay no atao hoe zavakanto. Noho izany, tokony hahay ny soatoavina, fomba amam-panao, […]
Vaovao tambatra
Nanomboka omaly ny atrikasa ho an’ny fahaiza-manao eo amin’ny fiompiana trondro, ao Antsirabe, tohanan’ny tetikasa GIZ-PADM. Atao izao ho famolavolana ny lasim-piofanana momba ny asa sy ny fahaiza-manao ho an’ny fiompiana trondro an-dobo. Anisan’ny mampihena ny taham-bokatra ny fiovaovan’ny toetr’andro. Nisy ny fandrafetana drafitrasa enti-manatsara sy manafaingana ny fanatanterahana ny […]
Tselatra
Renim-pianakaviana iray niharan’ny fanendahana niaro tsatok’antsy teo Mascar fokontany Anjanahary, omaly hariva. Norobain’ny jiolahy nitondra antsy lava izy. Nolerany antsibe io ramatoa io taorian’izay ka tsy nisy sahy nanantona noho ny tahotra ireo nanatri-maso. Namoy ny ainy nihohoka tao anaty sinibe nisy toaka gasy ny lehilahy iray tao Sambava, ny […]