Mpampianatra iray nahatrarana entana halatra tao Andranodaro, distrikan’i Vondrozo, ny 11 jolay lasa teo. Entana efa very ny volana febroary teo ireto tra-tehaka tao amin’ny tranon’ny mpampianatra iray ireto. Nanao fisavana, saron’ny zandary tao avokoa ny fitaovana informatika sy kojakoja mifandraika amin’izany. Nentina natao fanadihadiana ilay Tompon-trano. Tra-tehaky ny polisy […]
Tselatra
VAOVAO TAMBATRA
Vita ny fanamboarana ilay fantsona simba teny Ambatoroka. Miverina tsikelikely amin’ny laoniny ny famatsian-drano amin’ireo toerana voakasiky ny fahatapahana. Nohamafisina ilay fantsona mba hisorohana ny hihetsehan’izany. Tsiahivina fa tapaka nandritra ny ora maro ny rano tany amin’ireo faritra voakasiky ny fahasimbana. Nodinihina ny fomba hampitomboana haingana sy hanatsarana ny savony […]
INDRAY MIJERY
Manana toeram-pandraisana efatra ireo olona te hiala amin’ny fiankinan-doha amin’ny zava-mahadomelina Antananarivo ary vao niampy iray vaovao eny Itaosy. Eny Anjanamasina, ao amin’ny HJRB, eny amin’ ny Cenhosoa ary ao anatin’ny CHUSSPAnalakely. Fahadimy sy vaovao ilay vao notokanana teny Itaosy. Nahazo efitranon-tsekoly roa ny lisea Fiaferana, fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo Avaradrano. Nifarimbona […]
TARATRY ny KANTO
Amin’izao fialantsasatry ny mpianatra izao : hovelomina etsy amin’ny Alliance Française Antananarivo (Andavamamba) ny «Disney». I Odon sy Ilaina ary i Kanto no haneho izany miaraka amin’ireo ankizy ho tonga eny an-toerana. Seho hotanterahina ny 22 jolay izao, manomboka amin’ny 2 oa tolakandro. Hisongadina amin’izany ireo hira tian’ny ankizy na […]
FANTINA sy FINTINA
Nihaona tamin’ireo tanora tetsy Andraharo ny mpitarika ny HVM, Rajaonarimampianina Hery, ny sabotsy teo. “Hotohizantsika ny fisandratana efa natomboka”, hoy izy. Nambarany fa mila fahendrena sy fahaizana ary fahafoizan-tena ny fitiavan-tanindrazana. Eo koa ny fanajana ny lalàmpanorenana sy ny demokrasia ary ny fahalalahana amin’ny lafiny rehetra. “Didim-panjakana iny. Inona moa […]