Tselatra

Voatery mampihatra ny atao hoe « vary tomboka », ny tantsaha mpampihatra ny vakiambiaty aty afovoantany amin’izao tsy fisian’ny ranonorana izao. Nambaran’izy ireo, fa fotoana tokony efa fanetsana na famafazana ketsa izao fiandohan’ny janoary izao, raha ny fanao isan-taona. Hany vahaolana, ny fandatsahana ny vary akotry avy hatrany amin’ny tanimbary, […]

Indray mijery

Manerana izao tontolo izao, olona 1 isaky ny 24 segondra no mamoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana an-dalambe (OMS 2024). Fanamby hotratrarina ao anatin’ny tanjon’ny fandrosoana lovainjafy (ODD) ny hampihenana ho 50% ny isan’ny olona maty sy maratran’ny lozam-pifamoivoizana amin’ny taona 2030. “Isika eto Madagasikara, mandray anjara feno amin’ny fanatrarana […]

Sombim-baovao

Ny marika Umbro no fanamiana hoentin’ny Barea de Madagascar hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra, “Chan 2025”. Raha tsy misy ny fiovana farany, hanomboka ny volana febroary ho avy izao ny taom-pilalaovana 2025 ho an’ny taranja tsipy kanetibe. Hisy ny fifaninanana hahazoana isa ary eo koa […]

Fantina sy fintina

Mangataka ny hisian’ny fitoniana ho amin’ny fampandrosoana amin’izao taona vaovao izao ny filohan’ny fikambanana Tanora miantsehatra (Tamia), Randriama­hefa Benjamina, ny faran’ny herinandro teo. Miantsehatra amin’ny fanampiana ny mpiara-belona ny Tamia, indrindra eo amin’ny lafiny sosialy. Tarigetrany nandritra izay 13 taona nijoroany izay ny fandraisana andraikitra tsy misy takalony sy ny […]

Tselatra

Namoy ny ainy ny lehilahy iray lasan’ny ranomasina tao Depot 1, Toamasina, omaly atoandro. Nifa­mon­jen’ny mponina manodidina izy. Tafavoaka tao anatin’ny rano ny vatany saingy tsy tana ny ainy. Raim-pianakaviana iray maty lasan’ny ranontrambo tany Andranomisa, raha avy any Marotsipoy, disitrikan’Anjozorobe, ny voalohan’ny taona 2025 lasa teo. Olona fito mianaka, […]