Tselatra

TSELATRA

Lehilahy 50 taona hita faty tetsy amin’ny arabe akaikin’ny mpivarotra voninkazo, ampitan’ny hopitaly HJRA, omaly maraina. «Efa narary andro vitsivitsy lasa izy io, ary nanomboka nanary aina ny alina ary izao maty izao », hoy ny vadiny. Mpatory an-dalana izy ireo. Jiolahy miisa roa voasambotry ny polisy tany Anketa Toliara, ny […]

TSELATRA

Naiditra vonjimaika am-ponja, afakomaly, ireo telo lahy, mpanendaka eny ambony Bajaj ao Mahajanga. Miray tsikombakomba amina mpitondra bajaj izy ireo. Mandray zotra tahaka ny mpandeha rehetra, manendaka poketra sy findain’olona, avy eo mandositra. Miisa roa ny fitarainana voarain’ny kaomisaria foibe ao Mahajanga momba ity tranga ity, tamin’ity volana ity. Nafindra […]

TSELATRA

Nanao fihetsiketsehana sy nidina an-dalambe, nilanja sorabaventy sy nandoro kodiarana, ny mponina tetsy Ilanivato, omaly. Ny fisian’ny ranobe tsy mety ritra eny amin’ny arabe ny antony, raha ny fanazavana avy amin’izy ireo. Nahitana fahatapahana, noho izany, ny lalana teny an-toerana, vokatr’io hetsika. Nihaona mivantana tamin’ireo mpamily taxi-be zotra 194 sy […]

TSELATRA

Lehilahy telo naiditra vonjimaika am-ponja eny Antanimora, omaly, taorian’ny fampanoavana teny anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Anosy. Tratran’ny polisy nifoka sy nivarotra rongony teny Analamahitsy ny roa tamin’izy ireo, ny alakamisy lasa teo. Nanonona lehilahy iray tompon’entana ireto farany. Nosamborina izy rehetra, ary izao naiditra am-ponja izao. Hita omaly maraina, tany […]

TSELATRA

Fiara Sprinter iray tra-doza tany Behenjy, lalam-pirenena fahafito, omaly maraina. Olona efatra naratra vokatr’izany, ary nentina avy hatrany eo anivon’ny toeram-pitsaboana Ambatolampy izy ireo. Niainga tany Vohipeno io fiara mpitatitra io. Izay nitondra fianakaviana hamonjy fahoriana hihazo an’Antananarivo Renivohitra. Nandeha mafy ny fiara ary vaky kodiarana tampoka ka nitarika ta­min’ny […]