Tselatra

TSELATRA

Lehilahy iray manodidina ny 40 taona hita narary tsy nahatsiaro tena teny Ivato, omaly. Nokarakarain’ny Kaominina Ivato, tamin’ny alalan’ny Departemanta Sosialy ny fitondrana azy teny amin’ny Hopitaly manara-penintra Anosiala. Noraisin’ny CSB II an-tanana ny vonjy aina natao taminy. Tsy nisy taratasy namantarana azy teny aminy. Ampandrenesina ihany koa ny fianakaviany […]

TSELATRA

Niakatra fitsarana, omaly, ny raharaha fanompana sy fikasihan-tanana mpamily nataona lehilahy roa teny Manjakaray, ny herinandro lasa teo. Fandrahonana ho faty sy vono sy ratra no niampangana azy ireo. Nifona teo imason’ny mpitsara ireo voampanga. Honitra 2 tapitrisa no nangatahin’ny lasibatra. Hivoaka ny alatsinainy 27 oktobra izao ny didim-pitsarana. Nangataka […]

TSELATRA

Nahitana taolam-paty maromaro tao anatin’ny farihin’Andranomaimbo, fokontany Antsenakely, omaly maraina. Nofonosina tao anaty bodofotsy ireo taolam-balo ary nalatsaka tao anaty rano. Mpanala tsikafona no nahita ny tranga sy niantso tomponandraikitra. Taolan-dava avy amin’y razana telo no hita rehefa nosavaina. Taolam-paty efa misy may ihany koa izany. Tonga teny an-toerana ny […]

TSELATRA

Zazavavy 7 taona namoy ny ainy vokatry ny haintrano tao Ambohitsilaozana, distrikan’Am­baton­drazaka, afakomaly. Mpivarotra lasantsy ny reniben’io zaza io. Nandraraka lasantsy ilay ramatoa kinanjo nahazo afo tampoka. Nirehitra tanteraka ny trano ka maty ny zafikeliny. Hatry ny omaly, mbola voatsindr’ilay kamiaobe ny vatan’ireo olona telo voalaza ho namoy ny ainy, taorian’ny […]

TSELATRA

Nitrangana vaky fasana tany Androhimainty, fokontany Antranoroa, kaominina Soavinandriana, omaly. Mpiandry omby sendra namerina omby no nahita ny fasana efa nisokatra ka niantso tomponandraikitra avy hatrany. Tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy ny avy amin’ny polisim-pirenena. Voamarina nandritra izany fa razana 23 no very sy lasan’ireo olon-dratsy. Olona telo mianaka […]