Tselatra

TSELATRA

Rovitra ny fen’ny mpitondra moto iray vokatry ny fandehana mafy tao amin’ny RN6, tao Ambendrana, distrikan’Antsohihy, omaly. Nidona tamin’ny vodin’ny kamiao lehibe izy. Nentina notsaboina eny anivon’ny hopitaly. Nodidin’ny raibeny tamin’ny antsy ny sofina sy ny tongotry ny ankizilahy iray rehefa tratrany nangalatra coco, tao Sambava, omaly. Tsy niera tamin’ny […]

TSELATRA

Maty tsy tra-drano ny lehilahy iray nitsambikina avy eny ambony pylone, teny amin’ny kaominina Ala­kamisy Fenoarivo, afakomaly. Nanao fanahiniana namono tena izy, araka ny fitantaran’ireo nanatri-maso. Niezaka novonjena teny amin’ny hopitaly saingy tsy tana ny ainy. Notanana vonjimaika any am-ponja ilay miaramila voarohirohy ho nanolan-jazavavy 12 taona tao Arivonimamo, afakomaly. […]

TSELATRA

Nidina an-dalambe nandoro kodiarana ny mponina etsy 67 Ha noho ny fahatapahan-jiro lavareny, omaly. Ankoatra ny haizina izay efa saika ho isan’andro ateraky ny fahatapahana, mitaraina ho simba entana amidy koa ireo mpivarotra eny amin’ny manodidina. Ramatoa mpivarotra rongony tra-tehaky ny zan­dary tao Analalavabe, Ambodivoanio, distrikan’i Mana­nara Avaratra, afakomaly. Nahatrarana […]

TSELATRA

Maty avokoa ny omby dimy voafaokan’ny taksiborosy tapaka hisatra tao amin’ny tetezan’i Tsaramarina, hiditra ny tanànan’Andriba, RN4, omaly. Nandeha mafy ny fiara kinanjo tsy nahazo tampoka ny hisatra. Potika tanteraka ny lohan’ny fiara. Tsy nisy ny aina nafoy. Avotra soa aman-tsara ilay zaza menavava nisy nanary, tao Analamaho, kaominina Sambava, […]

TSELATRA

Olona 27 tra-boina vokatry ny haintrano tao Ambatomasina, kaominina Ambatomanga, ny sabotsy 10 aogositra teo. Trano miisa fito azon’ny afo. Nifamonjy nifehy io firehetana io ny fokonolona. Tsy nisy noraisina avokoa ny entana tao anatin’ireo trano lasibatra. Niharan’ny lozam-pifamoivoizana ny fiaran’ny mpanakanto Big Mj tao Nosy Be, afakomaly. Tsy nisy […]