Olona maherin’ny 40 marary voan’ny fahapoizinana ara-tsakafo tany Mahajanga, ny sabotsy lasa teo. Manaraka fitsaboana ao amin’ny Hopitaly Jean Paul II Antanimalandy ny 33 amin’izy ireo. Nalefa eny amin’ny CHU Mahavoky Atsimo ny 10 hafa, raha any amin’ireo hopitaly sy klinika hafa ny ambiny. Avy nifety tany amin’ny toeram-pilanonana iray tany […]
Tselatra
TSELATRA
Moto iray voafaokan’ny fiara tsy mataho-dalana iray teny amin’ny lalana By-pass, ny alahady 11 novambra lasa teo. Nisongona tany amin’ny ilany havian’ilay fiara ilay mpitondra moto. Efa nandefa fampahafantarana hivily any amin’ny ankavanan-dalana anefa ilay fiara. Renim-pianakaviana iray teraka an-dalana tao Verrerie, kaominina Toamasina, ny alin’ny alahady hifoha ny alatsinainy […]
TSELATRA
Notafihin’ny jiolahy efatra tsy nisaron-tava sy nirongo fitaovam-piadiana any amin’ny Fokontany Anjatoka III, kaominina Ambovombe Androy, ny harivan’ny sabotsy 08 novambra 2025 teo. Niditra tao an-tanàna ny jiolahy telo izay nitondra basy poleta iray sy antsy roa. Nanara-maso kosa ny iray fanampiny. Tonga ara-potoana ny Polisy avy ao Androy, taorian’ny […]
TSELATRA
Lehilahy iray voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny Sampana mikaroka ny fandikan-dalàna Atsinanana, ny 4 novambra 2025 lasa teo. Tratra nivarotra sy nitazona rongony izy. Nandritra ny fisavana ny tranony no nahatrarana rongony milanja 35 kg, izay nafenina tanaty valizy sy harona. Nosamborina ary nentina ao amin’ny Kaomisaria foibe Toamasina […]
TSELATRA
Miantso ny tomponandraiki-panjakana ambony hijery ifotony ny firongatry ny tsy fandriampahalemana ao amin’ny distrikan’Antanimora Atsimo ny solombavam-bahoaka voafidy tao an-toerana. Miaina anaty tebiteby tanteraka ny ankamaroan’ireo mponina ary mandry tsy lavo loha noho ny fisian’ireo dahalo mpangalatr’omby sady mamono olona. Lehilahy iray tratra nanendaka bisikileta tetsy amin’ny Art malagasy Ambohitrimanjaka, ny […]




