Ankizivavy roa tsy ampy taona tra-tehaky ny Polisy niditra tao amin’ny toerana tsy azo idiran’ny zaza tsy ampy taona tany Ambatondrazaka. Hita nandritra ny fanaraha-maso ireo toeram-pisotroana sy toeram-pialamboly rehetra misokatra amin’ny alina, nataon’ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny kaomisaria Ambatondrazaka, ny alatsinainy teo, izany. Niarahan’izy ireo tamin’ny Brigade féminine de […]
Tselatra
TSELATRA
Nahatratra mpanendaka (18 taona) iray ny polisy misahana ny fifamoivoizana manoloana ny Lycée Rasalama, afakomaly. Nanendaka olona nandeha taksibe io lehilahy io ary lasa nitsoaka avy hatrany rehefa azony ny findain’ ilay olona. Nanenjika io olon-dratsy io avy hatrany ilay polisy ka azo tsy dia lavitra teo. Hita teny aminy […]
TSELATRA
Bevohoka 23 herinandro mahery ny ankizivavy 13 taona, naolan’ny tovolahy 21 taona, tetsy Lohanosy, kaomininina Ambohijanaka, ny volana marsa lasa teo. Havany ihany ity ankizy naolany ity. Nosamborina avy hatrany io tovolahy io ary miatrika fanadihadiana eny amin’ ny sampandraharaha misahana ny heloka bevava. Teratany kaomorianina iray maty notsindromin’ny mpiambina […]
TSELATRA
Lehilahy 62 taona vao nahalafo trano hita faty tao amin’ny fokontany Ambohimanarivo, kaominina Feramanga Avaratra, omaly maraina. Nifamaly tamin’ny vadiny tao Amparafaravola rangahy ka nentiny ny vola sasany vidin’ny trano ary izao hita faty izao. Zaza vao teraka 2 herinandro maty, ahina ho novonoin-dreniny tao Ianakonitra, kaominin’Andevoranto, distrikan’i Brickaville, afakomaly. […]
TSELATRA
Voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny kaomisaria Mahamasina, afakomaly hariva, ny lehilahy 47 taona mpamily taxi-be zotra G. Tratra nihodina an-dalana izy ary tsy nanaiky nandray ireo mpandeha teo amin’ny fiantsonana. Nandrahona sy nanompa ny polisy izy rehefa nosakanana ary nosamborina sy nalefa any amin’ny biraon’ny CSP5 Mahamasina. Nogiazana vonjimaika […]




