Nahemotra amin’ny fotoana tsy mbola fantatra ny hetsika nokasain’ny ARFM hatao eny Mahamasina, anio. Anton’izany ny tsy nahazoana alalana tamin’ny fitondram-panjakana. Mbola hifampiresaka sy hifandamina amin’izay tomponandraikitra amin’izay fanomezan-dalana hahazoana manatanteraka ny hetsika ry zareo. Nisy ny fivoriana an-jotra, niresahina ny akony ara-barotra azon’i Madagasikara, amin’ny fisian’ny Zone libre-echange continentale […]
Tselatra
TSELATRA
Raikitra indray ny fifampikasihan-tanana nataon’ ny samy mpino teo anivon’ny fiangonana Jesosy Mamonjy Tsarahonenana, omaly atoandro. Tsy fifankahazoana eo amin’ireo mpino izay nizara ho ankolafy roa miangona amin’io toeram-pivavahana io no nitarika ny sakoroka. Olona 50 hiakatra fampanoavana anio. Tafaverina amin’ny mpitandro filaminana ilay fitaovam-piadiana « pistolet MAT 49 » very nateraky […]
VAOVAO TAMBATRA
Maherin’ny 30 000 t ny tahirim-bary nafarana ao Toamasina, hiatrehana ny maitsoahitra. Milanja 25 000 t ireo tahiry ao amin’ny toeram-panatobian’ entan’ny mpandraharaha ara-barotra, raha toa ka eny amin’ny seranan-tsambo kosa ny 7 000 t. Tsy atahorana ny tsy fahampiana eny an-tsena, mandritra io vanim-potoana io. Vonona hanome tanana ny minisiteran’ny Fambolena […]
INDRAY MIJERY
Nahazo fampitandremana amin’ny fahabetsahan’ny rotsakorana ny faritra Diana, Sava, Sofia, Betsiboka, Bongolava ary ny distrikan’Ankazobe sy Andilamena ho an’ny anio. Hahazo vahana ny oram-baratra amin’ny tapany avaratry ny Nosy sy ny faritra sasany amin’ny afovoantany ka mety hahatratra 90 mm ao anatin’ny 24 ora ny refiny. Hatao sonia amin’ny herinandro […]
TARATRY ny KANTO
Eric Tselatra – Piment Café Behoririka. Tsy dia fahita matetika ao amin’ity toeram-pialamboly ity ny mpanakanto hanafana ny sehatra anio. Mandalo an-tanindrazana i Eric Tselatra, hotronin’ireo namany, manomboka amin’ny 8 ora alina. Na toerana kelikely aza, mety amin’ny mozika mavesatra ihany koa, mampifanakaiky ny mpankafy sy ny mpanakanto, ny Piment […]