Voasambotry ny polisy, afakomaly, ny lehilahy iray nikasa hamono ny vady aman-janany tao amin’ny faritra Amea Andavamamba. Nifamaly tao an-tranony ny mpivady, afakomaly, tamin’ny 10 ora sy 15 minitra. Nandray antsy ralehilahy ary nikasa hamely izany tany amin-dravehivavy sy ny zanany. Niditra an-tsehatra nisambotra ilay rangahy ny Polisy misahana ny […]
Tselatra
TSELATRA
Levon’ny afo ny tokantrano iray tao amin’ny fokontany Ambalavola, Antsiranana, omaly. Nifamonjen’ ny fokonolona sy ny mpamonjy voina novonoina ny afo saingy kila avokoa ireo entana tao an-trano. Mitohy ny fikarohana ireo zaza roa lahy tsy hita popoka nanomboka ny alatsinainy 15 septambra teo, tao amin’ny fokontany Tsaramandroso, kaominina Satrokala, […]
TSELATRA
Nendahin’ny olon-dratsy ny varavarankelin’ny trano iray nanaovan’izy ireo fandrobana tao amin’ny fokontany Tsarariva, fokontany Mahazoarivo, kaominina Ampefy, omaly maraina tamin’ny 9 ora. Tsy nisy tao an-toerana ny tompon-trano ka nentin’ireo mpandroba ny entana sarobidy rehetra. Mpivarotra zava-mahadomelina sady mpidoroka voasambotry ny zandary tao Ivato, fokontany K4, distrikan’Ambohidratrimo, omaly. Nahatrarana rongony […]
TSELATRA
Nipitika niala ny kodiarana alohan’ny fiarabe iray tetsy Ankadifotsy, omaly maraina. Teny am-pandehanana no nipitika tampoka izy io ka tsy afa-nihetsika ny fiara. Niteraka fitohanana lavareny teny an-toerana ny zava-nisy. Tsy nisy ny naratra, olana ara-mekanika no heverina ho antony nampitsoaka ny kodiarana. Ilaina hatrany ny fahamailoana sy fikojakojana ny fiara […]
TSELATRA
Ao anaty fanadihadiana tanteraka ny BC mahakasika ny nahafatesan’ireo Sinoa mianadahy, hita faty tao anatin’ny toeram-pisakafoana Venus, etsy 67 Ha Atsimo, afakomaly. Hita faty nihohoka teo ambony fandriana moa izy ireo. Mbola tsy nisy ireo olona voasambotra sy voarohirohy tamin’io raharaha io. Fokontany telo no nahitana trano nirehitra tany Mananjary, […]





