Tselatra

FANTINA sy FINTINA

Nanomboka tamin’ity herinandro ity ny fampiasana ny Diary fanarahan-draharaha eny anivon’ny fitsarana, Anosy. Araka ny fanazavanan’ny minisitry ny Fitsarana, ezahina ny hanatsara ny fandraisana ireo manan-draharaha eo amin’ny fitsarana. Fantatra, ohatra, ny andro hakana ny didim-pitsarana, ny fanemorana… Haparitaka any Antsirabe sy Toamasina izany ao anatin’ny zato andro. Ny fametrahana […]

SOMBIM-BAOVAO

Notontosaina ny faran’ny herinandro teo ny fanofanana voalohany ho an’ireo mpitsara baolina kitra any amin’ny faritr’Ihorombe. Nahatratra 20 mianadahy ireo nandray ny fampianarana tany an-toerana. Tsara marihina fa ny DRA Ihosy sy ny ligin’Ihorombe no nikarakara ity hetsika ity. Nifarana ny sabotsy teo, tao Antsirabe, ny “Football for School”, nokarakarain’ny […]

INDRAY MIJERY

171 ny ankizy manana olana amin’ny fiarahamonina raisina an-tanana eny amin’ny akany Avoko. 29 amin’ireo napetraky ny mpitsara misahana ny zaza tsy ampy taona eny an-toerana, taorian’ny fanolanana nahazo azy ireo. 25 ankizivavy ary efatra ankizilahy. Matetika ny olom-pady sy ny fianakaviana ihany no mahavanon-doza manolana azy ireo. Manao antso […]

VAOVAO TAMBATRA

Tsy mitsaha-mitotongana ny vidin’ny nikela eo amin’ny tsena iraisam-pirenena hatramin’ny voalohan’ny taona 2024 . Ankehitriny, efa latsaky ny 16 000 dolara ny 1 taonina, araka ny tatitra navokan’ny London Metal Exchange (LME). Samy miatrika izao krizy izao ny fire­nena rehetra maneran-tany, anisan’izany i Madagasikara. Hiara-hiasa i Madagasikara sy Egypte amin’ny fambolena “dates” […]

TARATRY ny KANTO

Hampahafantarina i Andry Elrà. Izy indray no nosafidian’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, mandritra ny “Sehatry ny mpanoratra” amin’ity volana ity. Poeta sy mpanoratra ary mpanao gazety avy any amin’ny Faritra Itasy i Andry Elrà. Maromaro ireo hetsika hampahalalana azy sy ny asa sorany mandritra izany. “Ho aiza”? Fampirantiana ny […]