Tselatra

TSELATRA

Norobain’ny jiolahy tanaty lalan-dratsy ny kamiao lehibe iray tany amin’ny lalam-pirenena fahenina, Port Berger-Antsohihy, afakomaly. Nisy fiara tsy nety nisongona tao aoriany tamin’izany. Norovitin’izy ireo ny labasin’ny fiara, betsaka ny entana lafovidy very nandritra izany. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha. Nigadona teto Madagasikara, omaly, ny vatana mangatsiakan’ny tovovavy iray, […]

TSELATRA

Nitombo iray indray ny maty tamin’ilay tranga teny Ambohimalaza, ny 14 jona lasa teo. Namoy ny ainy, omaly, tao amin’ny hopitaly HJRA, ny tovovavy iray, rehefa notsaboina nandritra ny fotoana naharitra teny an-toerana. Efa nivoaka ny hopitaly io tovovavy io teo aloha fa naverina indray satria nananosarotra ny aretina. Mbola […]

TSELATRA

Mpivady niara-nosamborina tamin’ny fivaro­tana zava-mahadomelina tao Ampilanonana Amba­tofotsy, kaominina Sabotsy Namehana, afakomaly. Tratra tao an-tranony ireo fatorana rongony maromaro izay efa vonona hamidy. Nisy ny fitorohana nataon’ny olona tsara sitrapo nahafahana nisambotra azy ireo. Niakatra fampanoavana teo anivon’ny fitsa­rana ambaratonga voalohany Anosy, omaly, ny praiminisitra teo aloha, Solonandrasana Mahafaly Mananandro […]

TSELATRA

Raim-pianakaviana 44 taona saika hanolana ny zanany vavikely 11 taona voasambotry ny zandary teny amin’ny Petite Plage Amborovy, ny 30 jolay lasa teo. Poritra te hivoaka ilay ankizivavy ka nentiny tany ivelan’ny trano fonenana, somary mihataka ny tanàna. Naboridany ary efa nampatoriany teo ambonin’ ny latabatra fivarotana iray. Nisy nahatsikarita […]

TSELATRA

Omby miisa fito nangalarin’ny dahalo tany Farafangana tafaverina afakomaly. Nandray andraikitra tamin’ny fanarahan-dia izany ny polisin’ny Hery vonjy taitra (FIP). Nentin’ny dahalo nitsoaka ireo omby ireo, ka tsikaritry ny olona. Lasa nitsoaka ireo olon-dratsy raha vao nahita ny polisy ary navelany teo ireo omby. Manodidina ny 15 ny lozam-pifamoivoizana nisy teto […]