Other News

FEPA andiany faha-14 : mampiranty ny vokatra azo avy amin’ny fiompiana

Nisokatra omaly, eny amin’ny tokontany malalaky ny Malagasy professionels de l’élevage (MPE), eny Nani­sana, ny tsenaben’ny fiompiana sy ny vokatra azo avy ami­ny (Foire de l’élévage et de production animale). Haha­ritra efatra andro izany. Hita eny an-toerana ny ankamaroan’ny vokatra azo avy amin’ny fiompiana. Torak’izany ny fampitaovana ilaina. Mam­piavaka ity […]

UE-OSC : olana ho an’ny tantsaha ny fahazoana tany

Natao ny 19 avrily teo, ny dinika teo amin’ny Dele­gasiona Vondrona eoropeanina eto Madagasikara (DUEM) sy ny solontenan’ny Fiara­hamonim-pirenena (OSC). Lohahevitra nifampidinihina ny hoe « ny fambolena, ny fiarovana ara-tsakafo ary ny fananan-tany ». Nanamarika ny Fiaraha­monim-pirenena (OSC) fa mbola marefo ny rafitra mifehy ny fambolena eny ifotony sy ny mponina. Tena […]

« Antso tontolo miaina » : hampihaonina ny tontolo iainana sy ny kanto

Efa mby an-koditra ny fiovan’ny toetr’andro. Misy ny hetsika «Atson’ny tontolo miaina», hatao ny 20 mey hatramin’ny 5 jona 2023 (An­dro iraisam-pirenena ho an’ny tontolo iainana), etsy amin’ny Tour Zital An­ko­rondrano. Hetsika miompana amin’ny fandraisan’ny zavakanto anjara amin’ny fampitana hafatra fanairana eto Ma­dagasikara manoloana ny loza mitatao entin’ny fiovan’ny toetr’andro. […]

Zavamaneno: hisy ny atrikasa momba ny “Percussions”

Tontosaina eny amin’ny Academie nationale des Arts et de la culture na ANAC, Anosy, ny sabotsy 6 mey 2023, ny atrikasa fanaovana « Percus­sions ». Misokatra ho an’ny rehetra ny atrikasa. Randriana­solomalala Victor, mpampianatra ity zavamaneno ity no hizara ny fahaizany sy hampianatra. Hampia­narina ny fanamboarana “Per­­cussions”, voalohany hatramin’ny farany, mitohy amin’ny […]

Horonantsary: miditra amin’ny andiany faha-18 ny “Madagascourt Film Festival”

Hetsika lehibe anisan’ny manome lanja ny tontolon’ny horonantsary eto Afrika, indrindra ny eto Madagasikara, ny Madagascourt Film Festival. Andiany faha-18 no hotanterahina amin’ity taona ity. Misokatra manomboka amin’ity volana mey 2023 ity ny fandraisana anjara amin’ny fifaninanana « Madagascourt Film Festival », andiany faha-18. Ny Fikambanana Rencontre du Film Court na RFC […]