Mby aiza ny fitoriana momba ny tsy fahazoana manao famoriam-bahoaka ankalamanjana? Tsy voatery hiteny hatrany ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), na hoe tsy mijery fotsiny aza. “Na miaro ny lalàmpanorenana aza izahay, tsy hiloa-bava isaky ny misy mihevitra na mieritreritra fa mihoa-pefy na manitsakitsaka ny lalàmpanorenana ny fahefana […]
Other News
Antenimierandoholona : nisokatra ny fivoriana ara-potoana voalohany
Tontosa omaly tolak’andro, teny amin’ny Lapan’ny Antenimierandoholona, Anosy, ny lanonana fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fivoriambe ara-potoana voalohany. Haharitra 60 andro ny fivoriana, araka ny voatondron’ny Lalàmpanorenana. Ny talata voalohany amin’ny volana mey no hanaovana ny fivoriana ara-potoana voalohany, ny talata fahatelo amin’ny volana oktobra kosa ny fivoriambe ara-potoana faharoa. […]
Fakana an-keriny : raikitra ny fifampitifirana, olona 11 avotry ny zandary
Raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny dahalo mpaka an-keriny sy ny zandary tao Ankilizato ,omaly. Fianakaviana iray avy ao Ambalakajaha, anatin’ny fokontany Mavogisa, kaominina Ankilizato no nalain’ny olon-dratsy an-keriny. Tompon’antoka ny jiolahy fito mitam-piadiana mahery vaika. Manoloana izany, nisy ny fisafoana ny tanàna nataon’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra ao an-toerana […]
Zo sy adidy !
Mankalaza ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety ny firenen-drehetra maneran-tany, anio. Andro natokana mba hanaitairana sy hampahatsiahivana ny mpitondra fanjakana fa tafiditra indrindra amin’ny fanatanterahana izay voarakitry ny fanambarana iraisam-pirenena ho an’ny Zon’olombelona izany. Ny taona 1991, namoahana ny fanambarana voalohany tany Namibia no nanomboka, niketriketrehana azy ity. […]
Fitsindronana “rôrô”” : mila lalàna manokana !
Tandindonin-doza i Madagasikara, manoloana ny fihanaky ny zava-mahadomelina mahery vaika “rôrô”. Tokony hasiana lalàna manokana ho famaizana ny fitsindronana izany, raha ny nambaran’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine. “Ny amin’ny tsy fandriampahalemana indrindra, na an-drenivohitra na ambanivohitra, ateraky ny firongatry ny zava-mahadomelina: efa mitobaka izao ny zava-mahadomelina mahery vaika toy ny […]






