Other News

Tarika AmbondronA – 25 taona: Hatrany amin’ny 2027 ny fankalazana

Tsy vita anatin’ny herintaona… Hotohizana hatramin’ny 2027 mba hahafahan’ny tarika AmbondronA miverina amin’ireo toerana efa nanaovany seho, ny fankalazana ny 25 taona an-tsehatra. Hiverenena avokoa ireo faritra nanamarika ny tarika. Vaovaon’ny tarika AmbondronA, omaly. Saika ireo tanàn-dehibe manerana an’i Madagasikara izany, ankoatra ny any amin’ny faritra Sava sy Fort-Dauphin, noho […]

Fiaraha-miasa : Hamaha ny olan’ny herinaratra ny Japoney

Nambaran’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Razanamahasoa Chris­tine, fa zava-dehibe ny lanonana fanaovan-tsonia fiaraha-miasa amin’ny fitondram-panjakana japoney, omaly, teo anivon’ny minisitera. Miom­pana amin’ny famatsiam-bola 68 miliara Ar izany. « Mitondra vahaolana amin’ny ampahany ny olana nitarainan’ny vahoaka izany. Anisan’izany ny olan’ny herinaratra ka anisan’ny hisitraka izany ny ao Toamasina », hoy izy. […]

SOMBIM-BAOVAO

Hifarana ny zoma ho avy izao ny fandraisana ny antontan-taratasy fangatahana izay ho kapitenin’ny ekipam-pirenena malagasy taranja tenisy. Olona hitondra ny ekipa amin’ny fifaninanana amin’ny fiadiana ny amboara Davis sy ny Billie Jean King. Takina amin’izay ho kapiteny ny fahaizana tenim-pirenena sy ny fifandraisana amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Hisy fifaninanana basikety […]

Motocross –  “4h Honda” : Mpilalao renioney efatra handray anjara

Hotanterahina eny Am­bohidava, Ambatolampy Tsi­ma­hafotsy, ny 14 hatramin’ny 15 marsa ho avy izao, ny fifaninanana hazakazaka ho an’ny kodiaran-droa, ho an’ny Motocross, “4H Honda”, an­diany faha-24. Halaviran-dalana 8 kilometatra eo no hifanintsana ary ahitana sokajin-dalao 15 izany. Manodidina ny 90 eo ny ekipa andrasana amin’ity hetsika ity. Araka ny fanadihadiana […]

Rugby – “XXL Top 12”: Nivarina fahatelo ny FTM Manjakaray

Taorian’ny fahavitan’ny andro fahenina amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby “XXL Top 12”, nivarina any amin’ny laharana fahatelo ny FTM Manjakaray. Ny faharesena nanoloana ny Cosfa ny anton’izany. Miakatra eo amin’ny toerana faharoa kosa ny CEA Andranomanalina. Mbola mitarika hatrany kosa ny Cosfa (Bebaoty), izay tsy mbola resy, […]