Other News

40 taona an-tsehatra : namaly hatrany ny hetahetan’ny mpankafy i Poopy

Namoaka mpanakanto tsy lefy laza maro ny taona 1983… Anisan’ireo manamarika ny faha- 40 taona niakarany an-tsehatra koa i Poopy. Mbola noporofoiny kosa fa manan-toerana ao am-pon’ ny mpankafy izy… Am-polony ny seho ta­min’iny faran’ny herinandro iny, raha ny teto an-drenivohitra fotsiny. Anisan’ireo nisongadina indrindra tamin’ireny ny an’i Poopy ny tolakandron’ny […]

Fitsinjaram-pahefana miabo : efa miroso ny fanjakana

“Tsy miandry ny fahavitan’izay drafi-pirenena izay ny fitondram-panjakana vao nanao ezaka amin’ny fitsinjaram-pahefana. Efa betsaka ny zava-baovao nentin’izao fitondrana izao hanamafisana ny fitsinjaram-pahefana miabo. Eo, ohatra, ny fampitomboana ny vola fanampiana ny kaominina sy ny faritra. Eo koa ny fanomezana fitaovana ny faritra 23 amin’ny fanamboaran-dalana…” Io no nambaran’ny minisitry […]

Mahajanga : saika nifandona ny depiote sy ny zandary

Mitohy ny fitetezam-paritra ataon’ny ekipan’ny Miha­va Tour. Tany an-drenivohitr’i Boeny izy ireo, ny faran’ny herinandro lasa teo. Nafam­pana ny raharaha, na­nomboka teny am-pidirana ny tanàna hatreny amin’ny toerana nifamotoan’izy ireo tamin’ny mpanara-dia. Nisy fotoana efa nifampisintonan’ny depiote Voni­na­hitsy Jean Eugène sy ny mpitandro filaminana iray ny vy maranitra, natao sakan-dalana. […]

Fetin’ny asa : nanao hetsika ny SSM sy ny CTM

Tontosa omaly, nandritra ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny asa, ny diabe nokarakarain’ny Solidarité Syndicale de Madagascar, SSM sy ny Conférence des Travailleurs Malagasy, CTM. Niainga teny Tsaramasay Ankazomanga ary nifarana teny amin’ny Kian­jan’Alarobia izany diabe izany. Tonga namaly ny antson’ny mpikarakara ny mpiasa samihafa, indrindra ny avy amin’ny tsy miankina. […]

Fifidianana : mbola handinika ny Leader Fanilo

Anisan’ireo antoko politika vonona ny handray anjara amin’ny fifidianana ny Leader Fanilo. Na izany aza, nambaran’ny filoha nasionaly vaovao, Heriniaina na i Babala fa mbola handinika izany izy ireo. Itovian’izy ireo hevitra amin’ny antoko hafa koa anefa ny hanatsarana ny lisi-pifidianana. « Tokony horaisina ireo fanatsarana nentin’ny antoko politika momba […]