Mitohy ny trafika ! Tratran’ny mpiasan’ny ladoany any amin’ny seranam-piaramanidina Nosy Be ny brikim-bolamena miisa efatra milanja 2,958 kilao, ny sabotsy 29 avrily teo. Nahatrarana azy ny mpandeha vehivavy malagasy iray saika handray ny zotra ET 836, an’ny kaompania Ethiopian Airlines. Natao fisavana fanindroany ity olona ity, ka nafeniny tanaty finday […]
Other News
Faritra arovana Boeny: famatsiam-bola maharitra sanda ara-toekarena
Tafatsangana tamin’ny volana avrily teo ny Vovonana iraisan’ny mpitantana ny faritra arovana any amin’ny faritra Boeny (PGAPB). Anisan’ny nampahafantarina ny sanda ara-toekarena any amin’ireo faritra arovana (AP), mba entina hitondra fampandrosoana, fa tsy mionona amin’ny fiarovana na fandrarana intsony. Nikarakara atrikasa mikasika izany ny Tahirimbola ho an’ny faritra arovana sy […]
Torajofo: mpanakanto am-polony no niaka-tsehatra
Tontosa teny amin’ny Coliseum Antsonjombe, ny hetsika “Torajofo”, niarahana tamin’ireo mpanakanto maro samihafa. Mpanakanto maro no nanafana izany hetsika izany ny alahady sy alatsinainy. Tanjon’ny mpikarakara ny fisaorana sy fanomezana fahafaham-po ny mpankafy azy. Eo ihany koa ny fankasitrahana ny mpanakanto, izay niara-niasa tamin’izy ireo hatramin’izay. Ankoatra ny fampisehoana, lalao […]
Iraimbilanja- 40 Taona : niaraka nifaly tamin’ny mpankafy ny tarika
Tontosa omaly, teny amin’ny Kianjan’ny Esca Antanimena, ny fampisehoana nankalazan’ny tarika Iraimbilanja ny faha -40 taonany. Nanotrona azy ireo ny mpankafy sy ny namana ary ny zanaka aman-jafin’ny mpikambana. Tsy niova fa ny hira sy ny fampisehoana nahafantarana ny tarika Iraimbilanja no niarahana. Tonga nanotrona ny tarika i Nini ao […]
Metaly : nahery vaika ireo andriambavilanitra
Nafana tanteraka ny seho mozika mavesatra tetsy amin’ny Lounge Bar Analakely, ny alahady 30 avrily teo. Nanapoaka izany ny tarika hirain’ny andriambavilanitra, ny tarika Di-Anna, nihira ny an’ny tarika Avenged sy Pantera, izay tena nahery vaika tokoa. Tonga maro rahateo ny mpankafy sy mpiondana ny gadona metaly sy ny tontolony. […]






