Other News

Antenimierampirenena : hafanafana ny fivoriana amin’izao

Hanomboka anio ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny antenimiera eto Madagasikara. Miandry zavatra maro amin’ireo solombavany ny vahoaka! Mafanafana ny politika tandindomin’ny fifidianana? Vao mainka mety hangotraka izany amin’izao fivoriana ara-potoana voalohan’ny Antenimie­ram­pirenena izao. Misy ny ma­nantena raharaha ho azy. Hi­seho na haseho amin’ny tena endriny sy ny heviny ve, ohatra, ireo […]

Fiara mifono vy nivadika: miaramila roa lahy maty tsy tra-drano

Tratran’ny lozam-pifamoivoizana teo Antsarimasina Toamasina II, ny sabotsy ta­min’ny 10 ora maraina, ny fiara mifono vy an’ny Tafika Malagasy. Miaramila roa lahy no indray namoy ny ainy, telo hafa naratra mafy. Raha ny angom-baovao voaray avy amin’ny zandary, nandeha mafy ilay fiara avy any amin’ny lalam-pirenena faharoa hi­hazo an’Ivoloina, lalam-pirenena […]

Trophée Babacar Ndiaye 2023: norombahin’ny filoha Andry Rajoelina

Tompondaka indray! Norombahin’ny filoham-pirenena malagasy, Andry Rajoelina, ny “Trophée Babacar Ndiaye 2023″. Natokana ho an’ny fananganana fotodrafitrasa izany. Misongadina hatrany ! Nomen’ny “Comité de sélection de The Africa Road Builders”, nivory ny faran’ny herinandro teo, tao Dakar, Sénégal, ny filoha Andry Rajoelina ny amboaran’ny “Babacar Ndiaye 2023”. Anisan’ny nahazoana izany […]