Mitady vahaolana hatrany ny orinasa Jirama sy ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo amin’ny famahana ny olan’ny fahatapahan-jiro. Tsikaritra efa mihamihena izany ho an’ny faritra sasany taorian’ny fitsinjarana ny solika hamokarana herinaratra. Tsy mbola mivaha tanteraka anefa izany fa mbola misy ireo faritra mampihatra izany toa ny ao Mahajanga, Nosy […]
Other News
“Pipeline Efaho”: hampandroso ny lafiny toekarena sy ny sosialim-bahoaka
Hitarika rano 15 tapitrisa metatra toratelo (m3) isan-taona amin’ny reniranon’i Efaho sy hanondraka tanim-pambolena hatramin’ny 80.000 ha ny “pipeline Efaho”. Hanova ny faritra Atsimo ity tetikasa ity ka hanome rano madio fisotro ho an’ny mponina 500.000. Voakasiky ny haintany miverimberina ny faritra atsimon’ny Nosy, izay miantraika betsaka amin’ ireo mponina […]
«Journée mondiale du Sport»: niavaka ny fankalazana tetsy Analakely
Niavaka ny fankalazana tamin’ity taona ity ary maro ny liana tamin’izany. Manodidina ny 3000 mahery ny tonga nanotrona, misy avy amin’ny fikambanana samihafa, ASIEF, MJS, federasiona ary ireo olon-tsotra. Nanatanteraka hazakazaka nanodina ny Lapan’ny Tanàna ireo mpandray anjara, avy eo niaraka nandihy sy nampihetsi-batana. Karazana dihy maro no nifanesy toy […]
Bodybuilding: nodimandry i Bigman
Misaona tanteraka ny tontolon’ny fanatanjahantena malagasy, indrindra ny taranja Bodybuilding. Nodimandry, teo amin’ny faha-43 taonany, ny sabotsy 22 avrily lasa teo, Randrianarimanana John Mario, fantatry ny maro tamin’ny anarana hoe Bigman. Miangaly ny taranja bodybuilding izy ary tsisy tsy nahalala azy teo amin’ity taranja ity. Bokona hozatra nanana ny lazany […]
Rugby – « XXL Top 20 » : lavon’ny FTM ny Uscar
Notanterahina omaly, teny amin’ny kianjan’ny Makis Andohatapenaka, ny fifaninanam-pirenena « XXL Top 20 », taranja rugby. Lavon’ny FTM Manjakaray, tamin’ny isa 40 no ho 24, ny Uscar. Raha hiverenana ny lalao, hita nifandanja tsara ny fifanandrinan’ny roa tonta. Porofon’izany, tsy nahitana “essaie” nandritra ny 26 minitra nilalaovana teo amin’ny fizaram-potoana voalohany, saingy […]






