Olan’ny delestazy : natsahatry ny HFF ny milina mpihary herinaratra

Mitady vahaolana hatrany ny orinasa Jirama sy ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo amin’ny famahana ny olan’ny fahatapahan-jiro. Tsi­karitra efa mihamihena izany ho an’ny faritra sasany tao­rian’ny fitsinjarana ny solika hamokarana herinaratra. Tsy mbola mivaha tanteraka anefa izany fa mbola misy ireo faritra mampihatra izany toa ny ao Mahajanga, Nosy Be, Am­bositra sy ny maro hafa. Nanapa-kevitra ny nampiato ireo mi­lina mpihary herinaratrany rehetra amin’ireo tobim-pa­mo­karana herinaratry ny Jirama ny orinasa “Henri Fraise et Fils”. Antony mahatonga ny fahatapahan-jiro mavaivay any amin’ireo faritra voalaza. Manoloana izany, mitady vahaolana hatrany ny orinasa Jirama. Vahaolana fohy ezaka ny fitsitsiana ny solika misy eo am-pelatanana. Vahaolana lavitr’ezaka kosa ny fanafainganana ny fametrahana foibe famokarana herinaratra azo avy amin’ny herin’ny ma­soandro miisa 37 amin’ny distrika 37. Hatao izany mba hialana amin’ny fiankinandoha amin’ny solika. Hafainganina ihany koa ny fametrahana foibe famokarana herinatra azo avy amin’ny herin’ny masoandro eto amin’ny tambajotra iraisan’Antananarivo. Anisan’ny hanomboka atsy ho atsy ny 20MW ao Mora­manga.

Henintsoa H.

Partager sur: