Other News

Paositra Malagasy : nahazo fampitaovana avy amin’ny UPU

Kamio mahazaka hatra­min’ny 10t miisa efatra, moto 25 ary Bajaj miisa 10. Ireo no fampitaovana azon’ny paositra malagasy, omaly, avy amin’ ny “Union postale universelle” (UPU), mba hanatsarana ny tolotra omena ny mpanjifa manerana ny Nosy. “Mariky ny fanatsarana sy porofo ny fahatokisan’ny mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena momban’ny asa ataon’ny paositra malagasy […]

« Paysage durable dans L’Est »: hampirisihina ny voly maharitra sy mampidi-bola

Miantraika betsaka eo amin’ny fambolena ny fahasimban’ny tontolo iainana. Iatrehana izany, misy ny tetikasa « Paysage durable dans l’Est » hanentanana ny tantsaha hamokatra sy hanarenana indray ny nofontany sy hanatsarana ny velontenan’izy ireo. Fampirisihana ny tantsaha hanao voly mampidi-bola sy hatao sakafo izay hanampy amin’ny fanatsarana ny nofontany. Ireo […]

Depiote Andriamanjato Bina: “Mitaky olo-marina sy hendry ny fitantanana eto amintsika”

Iza izy ? Depiote voafidy tao amin’ny distrikan’Andra­masina, Andriamanjato Lian­tsoa Bina. 46 taona ary mbola mpitovo, tsy manambady. Anisan’ny sakafo tiany ny trondro. Fialamboly ankafi­ziny ny mitsangantsangana. Mpankafy baolina kitra sy ny basikety. Tia ny gadon-kira malefaka ary anisan’ny ankafiziny ilay hira “Akaiky mpamonjy”. Mpihira tiany ny tarika Mahaleo sy […]

Fanamarinana lisi-pifidianana: nanentana ny teny Alasora Ravalo

Nihazo ny teny Ambato­malaza, Alasora ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalo­manana. Niara-nifarimbona tamin’ny mponina eny an-toeranao izy nanamarina ny anaran’ny olom-pirenena ao anaty lisi-pifidianana. “Mankasi­traka ny sefo fokontany sy ianareo tonga maro nifarimbona nanamarina ny anaran’ ny tsirairay tao anaty lisi-pifidianana”, hoy izy. Nentaniny ny isan-tokantrano mba hanatona ny biraon’ny fokontany […]

Fiaraha-miasa amin’i Frantsa: hohamafisina ny ady amin’ny kolikoly

Noraisin’ny minisitry ny Fitsarana, Ramanantenasoa Landy Mbolatiana teny Faravohitra, omaly, ny ambasadaoro frantsay, Arnaud Guillois. Voaresaka tamin’izany ny lafiny teknika namaritana ireo sehatra iaraha-miasa, eo amin’ny firenena roa tonta. Mitovy fomba fijery ny roa tonta amin’ny ezaka ataon’ny minisiteran’ny Fitsarana. “Anisan’ izany ny fanamafisana ny ady amin’ny kolikoly sy ny […]